Lahatsoratra avy amin’ny Fjkm AlatsinainyBakaro

521530 of 534 items

Fanofanana I Mpandray Fanasan’ny Tompo

by Fjkm AlatsinainyBakaro

Ny tsara ho fantatra momba ny Sakramenta Fampidirana Roa ihany ny sakramenta eken’ny FJKM : ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo (FDF, Fitsipika and. 15) Mandray anjara eo amin’ny famonjena ny sakramenta 1. Tantaran’ny Sakramenta Fomba fanaon’ny Fiangonana efa hita tao amin’ny Baiboly na ny batisa na ny fanasan’ny Tompo (Asa 8: 34-38; Asa 2: […]

La Bible parle de vous… et de moi (5)

by Fjkm AlatsinainyBakaro

Mercredi 7 mars 2018 L’Éternel le soutiendra sur un lit de langueur. Tu transformeras tout son lit, quand il sera malade. J’ai dit: Éternel! use de grâce envers moi, guéris mon âme. Psaume 41. 3, 4 La Bible parle de vous… et de moi (5) Difficile de parler de la maladie… lorsque la souffrance physique est […]

La conversion de Paul Claudel

by Fjkm AlatsinainyBakaro

Mardi 6 mars 2018 Mais les choses qui pour moi étaient un gain, je les ai considérées, à cause du Christ, comme une perte. Plus encore, je considère toutes choses comme une perte à cause de l’excellence de la connaissance du Christ Jésus mon Seigneur… J’ai été saisi par le Christ. Philippiens 3. 7, 8, 12 […]

La conversion de Paul Claudel

by Fjkm AlatsinainyBakaro

Lundi 5 mars 2018 La parole de la croix est folie pour ceux qui périssent, mais pour nous qui obtenons le salut, elle est la puissance de Dieu. Nous prêchons Christ crucifié,… Christ la puissance de Dieu et la sagesse de Dieu. 1 Corinthiens 1. 18-24 La conversion de Paul Claudel (1) L’écrivain P. Claudel (1868-1955) […]

Sous son contrôle

by Fjkm AlatsinainyBakaro

FRANÇAIS : Toutes choses travaillent ensemble pour le bien de ceux qui aiment Dieu, de ceux qui sont appelés selon son dessein. Romains 8. 28 « SOUS SON CONTRÔLE » Toutes les circonstances de la vie, petites ou grandes, devraient être pour le chrétien l’occasion de sentir la main sage et pleine d’amour de son Père céleste. Qu’il […]

Zoma 02 Martsa 2018 – Eze 14 : 6 – 11

by Fjkm AlatsinainyBakaro

6Noho izany, ambarao amin'ny Israelita fa iza no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Ialao ny toe-dratsy, ilaozy ny sampinareo sy ny fomba rehetra maharikoriko fanaonareo.›
7«Raha misy Israelita na vahiny monina ao Israely14.7 Ny vahiny nonina tao Israely dia voatery hanaraka ny zavatra notakina amin'ny olom-pirenena israelita ary arovan'ny lalàna mitovy raha ohatra izy ka voafora*; jereo Lev 19.33-34. miala amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony sady zavatra mitarika azy amin'ny heloka no apetrany eo anoloany, nefa avy eo izy tonga hila hevitra amin'ny mpaminany mba hahalala ny sitrapoko, dia Izaho TOMPO mihitsy no hamaly izany olona izany. 8Hifanandrina aminy Aho ka hataoko tonga oha-pitenenana izy ary hoesoriko tsy ho eo amin'ny vahoakako. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.
9«Raha misy mpaminany voataona hamaly araka ny tenany ihany, dia Izaho TOMPO no efa nampanao azy izany; ary hanamparako ny heriko izy ka hoesoriko tsy ho eo amin'i Israely vahoakako. 10Na ny mpaminany na ny olona izay manontany azy dia samy hivesatra heloka mitovy ka samy hilanja ny vokany. 11Amin'izay dia tsy hiala amiko intsony ny Israelita sady tsy handoto ny tenany amin'ny heloka rehetra fanaony intsony; dia ho vahoakako izy ary Izaho ho Andriamaniny. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
Manavaka ny mpaminany marina sy sandoka ny Tompo ary manome fitarihana antsika fa Andriamanitra tokony ho henoina sy handraisana fanoloran-tsaina. Tsy manafina ny marina tokony hambara ny mpamimmy marina ary tsy manena izay hanirahana azy na zavatra tsy mahafaly ny olona aza izany indraindray
1- Mandefa teny fanarenana ny Tompo
« Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo » (and.6). Ho antsika koa izany teny izany mba tsy hanomezana anjara toerana ao ampo ny fanompoana andriamani-kafa toy ny fametrahana fitokisana amin'ny vintana, ny kisendrasendra. nv finoanoampoana. sns .. Jesoa Kristy dia te hanjaka ao ampon'izay mino Azy raha niteny ny hoe : « ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo » (Lio. 17.21). Aoka handrav ny tenin'ny Tompo isika ary hanaiky hibebaka sy hanary ny sampin'ny fontsika tsirairay.
2- Manaisotra ny faharatsiana ny Tompo
« fa ho oloko izy ary Izaho ho Andriamaniny » (and. 11) Ho esorin'ny Tompo tsy hifangaro amin'nv olony ny mpaminany sandoka mba hiavahan'ny olony ka ahatonga azy ireo tsy hiala amin'Andriamanitra. Taratry ny fanjakan'Andriamanitra tsv misy fitaka nv fiverenan'ny fifandraisana eo amin'ny olona sy Izv Tompo. Tsy mba sitraky ny Tompo tokoa ny hisian'izay ho very saingv ireo tsy miverina amin'Andriamanitra dia hitondra ny heloky ny tenany . Aoka isika hino ny famonjeny sy hifíkitra Aminy.
Fanotaniana :
Mahatsiaro manana Andriamanitra tokana hivavahana ve isika ?

Alakamisy 01 Martsa 2018 – Mat 4 : 12 – 17

by Fjkm AlatsinainyBakaro

12Nony ren'i Jesoa fa naiditra am-ponja i Jôhany4.12 naiditra… Jôhany: i Jôhany Mpanao batisa no ambara eto. Jereo Mt 14.3., dia lasa nankany Galilea Izy. 13Ary nilaozany i Nazareta ka lasa Izy niorim-ponenana tao Kafarnahòma, tanàna amoron'ny farihin'i Galilea, anatin'ny faritanin'i Zebolòna sy i Naftalỳ4.13 I Zebolòna sy i Naftalỳ dia ireo foko anankiroa niorim-ponenana tany amin'ny faritra avaratr'i Israely, ka isan'iny Galilea faha-Jesoa iny.. 14Ka tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'i Isaià mpaminany hoe:
15«Ry tanin'i Zebolòna sy i Naftalỳ,
ry lalana amoron'ny farihy,
ry faritra ampitan'i Jôrdàna,
ry Galilea onenan'ny hafa firenena,
16ny vahoaka izay mihitsoka amin'ny maizina
dia nahita hazavana lehibe,
ary ny olona izay mihitsoka amin'ny toerana alofan'ny fahafatesana
dia niposahan'ny hazavana4.16 Is 8.3–9.1..»
17Hatramin'izay i Jesoa dia nanomboka nitoriteny ka nanao hoe:
–Ialao ny toe-d ratsy4.17 Ialao ny toe-dratsy: jereo ny FTS amin'ny voambolana hoe FIBEBAHANA., fa efa akaiky ny Fanjakàn'ny lanitra.
Hafatra efa nampitondraina an'i Jaona mpanao hatisa no nentin'i Jesoa eto indray. Mifanohy tsara ny asa nanirahana azy ireo. Mifanarana ny asan'i Jaona Mpanao Batisa. fa manomhoka kosa ny an'i Jesoa.
1- « Mibebaha », hoy nv Tompo !
Mandidy antsika hihebaka ny Tonipo amin'izao andro farany izao. Ny nahafoizany ny ainy ho fisoloana antsika teo amin'nv hazofijaliana dia ny mba hanafaka antsika amin'ny fahotana. Koa aoka isika hiala amin'ny ratsy fanao. izay mampisaraka antsika Aminy. Ny fibebahana no làlana hitodihana amin'Andriamanitra ary hiambohoana ny faharatsiana rehetra isan'andro. Manatona an'i Jesoa Kristy mba hodiovinv sy horaisinv ary hanao ny asany ka ho tonga zanak'Andriamanitra rehefa tarihin'ny Fanahinv.
2- « Efa akaikv nv fanjakan'ny lanitra »
Te hanome fampanantenana feno sy mazava ny fihavian'ny fànjakan'ny lanitra ny Tompo. Tanteraka tamin'ny nampiakarana Azy any andanitra ny fanokafany ny varavaran'nv lanitra mba hampidirany antsika. Manomana antsika hiara-mitoetra Amin'ny Tompo ka aoka ho vita fihavanana Aminy isika. Ampy ny fitarihany antsika amin'ny alalan'ny Fanahy Masina. koa mivonona hanatrika ny Tompo. Mivoha ho an' izay manaiky an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy azy ny fanjakan'ny lanitra.
Fanontaniana :
Vonona ve ianao amin'izay voalaza eto ?

Alarobia 28 Febroary 2018 – Jao 8 : 39 – 47

by Fjkm AlatsinainyBakaro

39Dia niteny tamin'i Jesoa ry zareo nanao hoe:
–I Abrahama no rainay!
Fa hoy i Jesoa taminy:
–Raha tena zanak'i Abrahama ianareo, dia ho nanao ireo asan'i Abrahama8.39 dia ho nanao ireo asan'i Abrahama: misy stf maro ahitana hoe dia manaova ireo asan'i Abrahama.–ireo asan'i Abrahama: ampit Heb 11.8-19.. 40Nefa ankehitriny tadiavianareo hovonoina Aho, dia Izaho nilaza taminareo ny marina izay efa reko tamin'Andriamanitra: tsy mba nanao izany i Abrahama! 41Fa ianareo kosa dia ny asan'ny rainareo no ataonareo.
Dia hoy ireo taminy:
–Tsy zaza sary izahay no nateraka; tokana ihany ny rainay, dia Andriamanitra.
42I Jesoa kosa nanao taminy hoe:
–Raha Andriamanitra no tena Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ; tsy avy amin'ny tenako no nahatongavako, fa Izy no naniraka Ahy. 43Ahoana no tsy ahazoanareo ny fiteniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo. 44Ny devoly no ray niavianareo, ka ny filàndratsin'ny rainareo no satrinareo hatao. Ny devoly dia mpamono olona hatrany am-boalohany; ary tsy nitoetra tamin'ny marina izy, satria ny marina tsy ao aminy. Raha mandainga izy, dia miteny araka ny toetrany satria mpandainga izy sady rain'ny mpandainga. 45Fa Izaho kosa tsy inoanareo, satria ny marina no lazaiko. 46Iza moa aminareo no afaka hanaporofo fa nanota Aho? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy 47Izay avy amin'Andriamanitra no mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy avy amin'Andriamanitra ianareo!
Ny tena zanak' Andriamanitra
1- Manao asa tsara
Milaza ho zanak i Abrahama ireto jiosy miresaka amin'i Jesoa Kristy. Ny toetra anefa dia mifanohitra tanteraka amin'izany satria i Abrahama dia olon'ny finoana, feno fahatokiana sy fankatoavana an' Andriamanitra. Tsy manana ny toetran'i Abrahama ireto jiosy ireto. I Jesoa Kristy milaza ny marina, manao ny asan'Andriamanitra indray no notadiavin'izy ireo hovonoina. Asa ratsy no kasain'izy ireo atao. Tsarovy fa ny tena zanak' Andriamanitra dia mino sy mankatoa ny Tenin'Andriamanitra ary mivonona hanao asa tsara mandrakariva.
2- Mihaino nv Tenin' Andriamanitra
Aharihary eto fa zava-dehibe eo amin'ny fíainan'ny zanak'Andriamanitra ny fahaizana mihaino Azy, ny fanarahana, ny fankatoavana na fampiharana eo amin' ny fiainana izay lazainy. Ny Teniny no mampifandray ny zanany amin'Andriamanitra Ray koa izay zanany marina tokoa dia mangetaheta ihaino izay lazainy isan'andro. Manokana fotoana isan'andro ahafahanao mihaino ny Tenin'Andriamanitra, hifaneraseranao Aminy, handraisanao ny toro-lalana hitondranao ny fiainana dia ho tena zanany marina tokoa ianao.
Fanontaniana:
Inona no vokatsoa azo amin'ny fíhainoana ny Tenin' Andriamanitra ?

Talata 27 Febroary 2018 – I Mpa 11 : 38 – 39

by Fjkm AlatsinainyBakaro

38Raha henoinao izay rehetra andidiako anao ka izoranao ny sori-dalako ary ataonao izay mahitsy eo imasoko sady tandremanao ny lalànako sy ny didiko tahaka ny nataon'i Davida mpanompoko, dia hiaraka aminao Aho ka hampiorina taranaka maharitra ho anao tahaka izay nataoko tamin'i Davida; ary dia homeko anao i Israely11.38 Israely: ireo foko folo any avaratra no ambara amin'izany., 39mba hampietreko ny taranak'i Davida –nefa tsy ho mandrakizay akory izany.
Ny olom-boafidin'Andriamanitra
1- Manaraka nv toro-lalana avy amin'Andriamanitra
Aseho fa Andriamanitra mihitsy no mifìdy sv hametraka an'i Jeroboama ho mpanjakan'ny Israely rehefa hizara roa ny fanjakana. Manoloana izany andraikitra izany dia mananatra an'i Jeroboama Izy fa mandeha amin'izany tíany hitondrany nv fanjakana izy fa manaraka ny toro- marika avy amin'Andriamanitra hatrany. Adidiny nv mihaino ny Tenin'Andriamanitra ambara aminy. ny manaraka ny làlana voasoritr'Andriamanitra hizorana arv indrindra ny miaina sy ny mivelona amin'izany.
2- Ampanantenana fitahiana
Raha manaraka tsara ny toro-marika omen' Andriamanitra azy i Jeroboama dia voalaza eto fa hotanterahin'Andriamanitra aminy ny fiainam-pitahiana: “ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao … ary homeko anao ny Israely”. Maneho izany fa fahombiazana ho aifny fítondran'ny olomboafidin' Andriamanitra ny fanekena hihaino sy handray ny toro- marika omeny. Izay tsy mety mihaino. tsy mandray kosa dia fahapotehana sy faharavana. Meteza ianao hihaino. handray ny toro-marika avy amin'ny tenin' Andriamanitra hitondranao ny fiainanao dia ho tsapanao fa fìainam-pitahiana ho tanterahiny ho anao.
Fanontaniana :
Nanao ahoana ny fiainan'i Jeroboama rehefa tonga mpanjaka tao amin'ny fanjakana avaratra izy? Inona no fampianarana ho anao amin'izany?

Fjkm Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro