Maha izy azy ny Sampana Dorkasy
Ny Sampana Dorkasy dia Sampana iray miorina eto amin’ny FJKM Tranovato Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro, natao hifampitaizana sy hibeazana mba hitomboana amin’ny fahalalana sy finoana an’i Jesoa Kristy, ary ahafahana manompo sy miasa ho Azy mba ho fijoroana vavolombelona amin’ny sehatra rehetra.
Amin’ny maha Sampana velona azy ato amin’ny Fiangonana dia manaja ny Foto-dalàna sy ny Fitsipika FJKM ny Dorkasy sady manaja ny Fitsipika anatin’ny Fiangonana FJKM Tranovato Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro ary mankato ny Ambaratongam-pitondrana eto amin’ny Fiangonana .
Zava-kendreny
Ny Sampana Dorkasy dia mikendry ny hitory an’i Jesoa Kristy amin’ny vehivavy rehetra sy ny ankohonana manontolo, mba hijoro eo anivon’ny ankohonana sy ny firenena ary ny Fiangonana,
« « Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo..., mba tsy hiketraka ianareo » » (Heb 6:10a/12a)
Ny Sampana Dorkasy koa dia sehatra ahafahana manatanteraka ny anjara fanompoana araka ny anjara fahasoavana nomen’Andriamanitra ny tsirairay :
- Mitory sy manambara sy Filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Teny sy ny Asa …
- Mitaiza sy manabe sy ny ankizy sy ny tanora amin’ny alalan’ny fampivoarana ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra : Tena, Saina, Fanahy
Biraon’ny Dorkasy
Filoha: RAKOTOARINIVO Rindra Arisoa
Mpitantsoratra: ---
Mpitahiry vola: ---
Mpanolotsaina: ---
Birao (sary...)
Vehivavy Kristianina

Fandaharam-potoana samihafa
Isam-bolana :
Fanaovana asa sosialy,
Fifampianarana (ara-panahy) / Fifampizarana fahaizamanao (taozavatra , nahandro).
Tetiandro Dorkasy
Ireto ny tetiandron'ny Dorkasy mandritra ity taona 2023 ity.
Fitsangatsangana Dorkasy : xxx
Volana Dorkasy : Jolay
Fety sy fankalazana samihafa
Fotoan-dehibe Fiangonana : 13 Aogositra 2023
Fotoana Dorkasy Foibe FJKM : xxx