Ny Sampana Sekoly Alahady, afohezina hoe S.A, dia Sampana iray miorina eto amin’ny FJKM Tranovato Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro. Ny fitsipika mifehy azy dia miainga amin’ny Foto-dalàna sy ny Fitsipika FJKM. Miaraka amin’ny Departemantan’ny Fiangonana izy. Ny asan’ny Sekoly Alahady FJKM dia asa misiona izay miorina amin’ny Baikon’ny Tompo maniraka ny Fiangonana hanao mpianatra ny firenena rehetra (Mat 28, 18- 20), sy hiandry ary hamahana ny ondrin’i Jesoa (Jao 21, 15- 17).
Zava-kendreny
Ny Sekoly Alahady FJKM dia mampianatra ny Tenin’Andriamanitra, na ao anatin’ny Fiangonana izany, na any ivelany, mba hahatonga ny olona rehetra handray ny Tenisoa Mahafaly ho fiainany, ka hivelarany amin’ny maha zanak’Andriamanitra azy tokoa.
- Fahaizana Baiboly
- Fivelomana amin’ny Tenin’Andriamanitra araka ny voalazan’ny Fitsipika Fototra hoe :
« Ny Sekoly Alahady dia mampianatra ny olona rehetra handray ny Teny Soa Mahafaly ho fiainany, ka hivelarany amin’ny maha zanak’Andriamanitra azy tokoa »
Biraon’ny Sampana SA
Filoha: RATEFINOMENJANAHARY Andriatomposon
Mpitantsoratra: xxx
Mpitahiry vola: xxx
Fandaharam-potoana samihafa
Fianarana SA : Ora iray alohan'ny fotoam-pivavahana isan'alahady
Sampana Sekoly Alahady (sary...)
Birao SA (sary...)
Tetiandro SA
Ireto ny tetiandron'ny SA mandritra ity taona ity.
Fanadinana SA: jona
Fitsangatsangana SA: xxx
Fidirana taompianarana SA: Alahady voalohany septambra
Hisy fanolorana mari-pankasitrahana
Fitondrana ambavaka ny taompianarana
Volana Sekoly Alahady : Martsa
Krismasy SA: 25 desambra
Fety sy fankalazana samihafa
Fetin'ny reny : may
Fetin'ny ray : jona
Fotoan-dehibe Fiangonana : 13 aogositra 2023 ivon'ny Jobily faha 120 taona
SA Foibe FJKM : Alahady faharoa desambra