Ny Fiangonana FJKM Tranovato Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro dia fitandremana miombona amin'ny Synodamparitany Atsimon'Iarivo Miraty SPAIM 15.
Teny faneva
Teny faneva.
"... miomana hihaona amin'Andriamanitrao..." Amosa 4.12b
Fiangonana FJKM Tranovato Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro

Biraon’ny Fiangonana FJKM Tranovato Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro
Filoha : Ny Mpitandrina RAKOTONANAHARY Tiana Holda
Mpitantsoratra : RAFALIHERIJAONA Vonjitiana Jeannot
Mpitantsoratra vola : RAHARO Andriamasinjaraniaina Manoa
Mpitahiry vola : RAZAFINDRATSIMA Andriamalala Richard
Mpanolotsaina : RANDRIANANTENAINA Dijou
Mpanolotsaina : RAMANDANARIVO Lucien
Mpanolotsaina : RAHAJAMANDIMBY Solange Wilson
Raiamandrenin'ny Toby : RAHARO Andriamamory Seth
Ireo Filoha :
Mpandini-bola : RIANTSOA Arielle
Mpandini-bola : FANIRISOA Rasaminarivo Mialimamy
Mpandini-bola : RAFANOMEZANJANAHARY Andritomposon
Sekoly Alahady SSA : RATEFINOMENJANAHARY Andriatomposon
Lehilahy Kristianina SLK : RAKOTONDRAZAKA André
Dorkasy : RAKOTOARINIVO Rindra Arisoa
Vokovoko Manga SVM : RARIVONJANAHARY Zakaniaina
Fifohazana SAFIF : RAZAFINDRAKETAKA Elyse
Tanora Kristianina STK : RAZAFINDRATSIMA Andriamalala Richard
Mpanazava & Tily SAMPATI : ANDRIATSOHARINIVO Haingoniaina
Sederan'ny Ziona : RANDRIMANANTENASOA Jean Fred
Narda Fihobiana : RAFIANINANA Rado
Fitoriana Filazantsara AFF : RAZAFIMANDIMBY Jaonarison
Diakonina voafidy taom-piasana 2021-2025
Rtoa isany ---
Atoa isany ---
Fiangonana jerena avy eo atsinanana

Fiangonana : alitara - valintafo
Tetiandro Jobily faha 120
Ireto ny tetiandron'ny fankalazana ny Jobily faha 120 taona mandritra ity taona ity.
Fanokafana ny fankalazana : Alahady 2 Aprily 2023
Ivon'ny fankalazana : Sabotsy 12 Aogositra sy Alahady 13 Aogositra 2023
Famaranana ny fankalazana : Alahady 26 Novambra 2023
Fandaharam-potoanan'ny Fiangonana 2023
Ireto ny tetiandron'ny Fiangonana mandritra ity taona ity.
Mpitandrina : Janoary
Sederan'ny Ziona : Febroary
Lehilahy Kristianina SLK : Martsa
Sekoly Alahady SSA : Martsa
FDL : May
Vokovoko Manga SVM : Jona
Dorkasy : Jolay
Tanora Kristianina STK : Aogositra
Narda Fihobiana : Septambra
Fifohazana SAFIF : Oktobra
Mpanazava & TilySAMPATI : Novambra
AFF Asa Fitoriana ny Filazantsara : Desambra
Fetin'ny zanaka ampieleazana : Alahady 13 Aogositra 2023
Fety sy fankalazana samihafa
Paska : Alahady 9 Aprily 2023
Andro niakarana : Alakamisy 18 May 2023
Pentekosta : Alahady 28 May 2023
Krismasy : Alatsinainy 25 Desambra 2023
(Pejy eo ampanamboarana ity)
Tantaran'ny Fiangonana
Ireto ny daty nanamarika ny tantaran'ny Fiangonana.
Taona 1903 : .
Taona niforonan'ny Fiangonana , nianga tamin'ny vondron'olona niaraka nivavaka teny amin'ny tanàna kely Andranongoaika 1 km atsimo atsinanana. Nifindra teo Alatsinainy Bakaro misy ny fiangonana ankehitriny.
19xx : xxx
1993 : Jobily Faha 90 taona
2003 : Jobily Faha 100 Taona
2013 : Jobily Faha 110 taona

Ezaka Tilikambo vato notarihan'y Zanaka Ampielezana

2023 : Jobily Faha 120 Taona
Ny famitana ny valitafo no ho tsangambaton'ny Faha120 taona

Ny Fiangonana Tranovato Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro dia miombona ao amin’ny Synodamparintany Atsimon’Iarivo Miray SPAIM 15.
Aaraka ny tantara nosoratan’ireo ray aman-dreny, izay voarakitra tamin’ny bokikely natonta tamin’ny Faha 100 taona dia vondron’olona nanao fotoambavavaka teo amin’ny tanàna kely Andronongoika ( 1,,5 km atsimo atsinananan’ny tanana Alatsinainy Bakaro ) no niandohan’ny fiangonana.
Rehefa nihamaro dia nanapa-kevitra hifindra teo Alatsinainy Bakaro izay tanana nisy ny tsena.
Misoratra amin’ny takelaka ao ampiangonana ny anaran’ireo Mpitandrina sy « Solompitandrina » nifandimby nitondra ny Fiangonana.
Sombiny ireto voalaza manaraka ireto.
Mpitandrina :
RAKOTONANAHARY Tiana Holda (amperinasa)
RANDRIANAIVOARIVELO Rado Bera
RANAIVOARISOA Daniel
RAKONTONDRASOA Daniel
…
RAVALITERA Etienne
…
Solom-pitandrina :
ANDRIANARIVONY Richard R.
RAFIANINANA
…RABOZILAHY
RANDRIAMANALINA
….
Tsaroana etoana ny fanompoana noraisin’i ray amandreny Rabozilahy izay nanohy hatramin’ny farany ny fampanenoana ny Lakolosy (isan’Alahady sy ny fotoana rehetra nilana izany).
Tamin’ny fotoana nitondran’i Mpitandrina Rakotondrasoa Daniel no nisian’ny fikasana hanorina ny Tranovato.
Ny ray aman-dreny Randriamanivo no filoha nandritra ny taona maro. Nahatratra amanampitrisa ariary ny fandaniana tamin’ny nanaovana ny Tranovato. Goavana izany raha fantatra fa ny ariary dia nahazoana koba / mofo ramanonaka na mofo gasy tamin’izany fotoana izany. Ary nandrity ny vaninandro mivaivay teo amin’ny firenenana izay tsy nisian’ny Simenitra sy ny tsy fahampiana maro samihafa. Ingahy Ralairisoa J. izany nanana ny fiara vaventy no nitatitra ny simenitra avy any Antanananarivo.
Tsy hadinoina fa tsy nitaraina tana-mihepaka ary nananampy betsaka ny kristianina rehetra, lazaina manokana ireo avy amin’ny faritra Anjozoro sy Antevana (niara-nisalahahy niara-nanangana tamin’ny renifiangonana ny Fiangonana Anjozoro sy Antevana, ankoatry ny Tranovato)
Nanao ny vato rehetra ireo mpanao vato nisy an-dry Ingahy isany Zana, Raré, Rabetoandro, Rabenandro ….sy ireo mpanao vato miaraka aminy avy eny Ambonjobe. Lazaina manokana Ingahy Rakotozafy izay nitaona hatramin’ny andoloha aza ireo vato voapaika.
Tsy nampiasa fitaovana mavesatra (engins … ) fa dia izay nanana teo antoerana no nampiasaina. Ny « asam-piraisana » no natao rehefa misy zava-dehibe ilana olona maro. ( fampiakarana bolongam-bato sns . . .).
Tamin’ny taona taona 1979 dia tafiakatra 3m ny rindrin’ny Tranovato, efa voapetraka ireo vato mandrafitra ny varavarankely. Nilalao mitsamibikina avy amin’ny ambonin’ny rindrin’ny Tranovato mankamin’ny andiampasika misavovona ety ambany ireo mpianatra tao amin’ny Sekoly Fjkm Lovasoa. Atoa Ratiarisoa no anisan’ny mpampianatra taminizany.
Iray tamin’ireny asam-piraisana irery ny nanaovana ny « echaffaudage / beton» nanaovana ny fanodidinana ny rindrina ambony. Namoy ny aina tamin’ny fianjerana avy eny ambony Atoa Ranaivo C. avy eny Ambohitrimanjaka.
Nanao ny alitara dia avy any Anjozoro, notarihin'Ingahy RT.L sy ireo mpiara-miasa aminy. Izy ireo koa no niaraniasa tamin'ny FMBM sy ny Pasteur Emilien Razafiarison tamin'ny fanaovana ny Akany/Fitokanana an'i FMBM eny Mandriambero.
Nitondra vokatra be ho an'ny asa fitoriana ny Filazatsara ny Fiangonana FJKM Ziona Vaovao Tranovato noho ireo zanaky ny Fiangonana nanolo-tena ho Mpitandrina.