Lahatsoratra malalaka voaray avy amin’ny Andriamatoa ANDRIANAMBININTSOA Manitriniaina Rakoto izay zafikelin’ny Mpitandrina RAVALITERA Etienne izay nitondra ny fitandremana Alatsinainy Bakaro. Izy nanoratra dia nanana andraikitra ambony tao amin’ny rafitra FJKM izy, ary Talé teo aloha tao amin’ny Seloky Protestanta Paul MINAULT talohan’ny nandehanany nisotro ronono.
“Mpitandrina tao amin’ny Fiangonana FJKM Alatsinainy Bakaro tokoa Ingahy RAVALITERA Etienne (1894 – 1976) saingy izay ihany no fantatro fa na ny fotoana nitandremany tao aza tsy tsaroako velively.
Ny reninay RASOAMANANORO Blandine (zanaka vavy aivon-dRavalitera Etienne Mpitandrina) dia nampianatra tao amin’ny Sekolin’ny Fitandremana – Sekoly Lovasoa (1961-1963).
Nipetraka niaraka tamin’ny Mpitandrina Ravalitera Etienne izahay satria ny rainay Ingahy RAKOTOZOMA Mpitandrina dia namita ny fianarany tao amin’ny Faculté de Théologie Protestante tany Paris nandritra ny 2 taona. Tamin’ny fotoana faha RAVALIJAONA Raymond Mpampianatra no Tale tao ami’ny Sekoly Lovasoa (mpianadahy iray tampo izy ireo ) ary Ingahy RAMAROSON no mpampianatra fahatelo nampianatra tao, koa !…
Marihiko etoana fa Ramatoa Marie vadin-dRAFIANINANA (solompitandrina) dia zana-drahavavin’io reninay RASOAMANANORO Blandine io, zafikelin-dRavalitera Mpitandrina !…
Asa, angamba ny zanaky Solompitandrina Rafianinana no mety hanana torohay misimiy kokoa noho izaho izay tsy nahatahiry na dia lovan-tsofina aza !…
Ireto no Solompitandrina niara-niasa tamin-dRavalitera tadidiko : Ingahy RABOZILAHY (nonina tery andrefana nifanolotra tamin’ny trano fiangonan’ny EKAR) sy Ingahy RANDRIAMANLINA nonina tao atsinanana kosa !… Izay no azoko ambara re !…
Mirary soa ary maniry sy mivavaka ny hahatontosan’io fankalazana lehibe io (jobily faha 120 taona) !
Fanampiny :
Nanana taranaka maro namaly ny antso ka nirotsaka amin’ny asan’ny Tompo amin’ny maha-mpitandrina ny Mpit. RAVALITERA Etienne. Ireto ny sasany amin’izy ireo.
- Mpit. RANDRIATSARAFARA Seth zanany lahimatoa Mpitandrin’ny M.P.F. (Mission Protestante Française) anisan’ny MPITANDRINA MALAGASY navoakan’ny Faculté de Théologie Protestante de Paris nahazo diplaoma ara-dalàna. Nitandrina ny Fiangonana FJKM Tranovato Fitiavana Toamasina.
- Mpit. RAVALINOMENJANAHARY Lala Emmanuel zafikeliny, mpitandrina nitondra ny Tranovato Faravohitra talohan’ny nandehanany nisotro ronono
- Mpit. ANDRIAMASINORO Fidimalala zafikeliny, mitondra ny Fitandremana FJKM Avaratr’Andohalo
- Mpit. ANDRIAMAMPIANINA Josoa zafikeliny , mitondra ny Fitandremana FJKM Ikianjasoa Rasalama ao Fianarantsoa.
- Mpit. RAFANOMEZANTSOA Pascal zafikeliny, mitondra ny Fitandremana FJKM Anjomakely
- Mpit. RAFIANINANA Arojaona zafiafiny, mitondra ny Fitandremana FJKM Antongompahitra”
Fanampiny (nomen’ny taranany Aogositra 2023) :
- Mpit.RANDIMBIALISON Johary Fanomezantsoa, Tangaina Fanantenana zafikely.
- Mpit.ALIARIMBAO Narindra, Ambatondrazaka, zafiafy
- Mpit.RAZANADRAKOTO Dida, Prezida Synodaly any Sofia-Diego, zafiafy,
- Mpit.RAKOTOZANANY Miantra ,FJKM Katsaoka RN1, zafiafy
- Mpit.RAKOTOROANANAHARY Zara , Beforona RN2 , zafiafy
- Mpit.ANDRIAMIHAJA Rina Canada, zafiafy
- Mpit.RAHOLIARISON Yves sy Mamitahiana zafiafy Fjkm Wagner SPVFA 37
- Mpit.RAFANOMEZANTSOA Tiana, Mpitandrina
0 Commentaires