Maha izy azy ny Sampana Lehilahy Kristiana
Ny Sampana Lehilahy Kristiana, afohezina hoe S.L.K, dia Sampana iray miorina eto amin’ny FJKM Tranovato Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro, natao hifampitaizana sy hibeazana mba hitomboana amin’ny fahalalana sy finoana an’i Jesoa Kristy, ary ahafahana manompo sy miasa ho Azy mba ho fijoroana vavolombelona amin’ny sehatra rehetra.
Amin’ny maha Sampana velona azy ato amin’ny Fiangonana dia manaja ny Foto-dalàna sy ny Fitsipika FJKM ny S.L.K. sady manaja ny Fitsipika anatin’ny Fiangonana FJKM Tranovato Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro ary mankato ny Ambaratongam-pitondrana eto amin’ny Fiangonana .
Zava-kendreny
Ny Sampana Lehilahy Kristiana dia mikendry ny hitory an’i Jesoa Kristy amin’ny lehilahy rehetra, mba hijoro eo anivon’ny ankohonana sy ny firenena ary ny Fiangonana,
« Ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy » (Efesiana 4:13)
Ny Sampana Lehilahy Kristiana koa dia sehatra ahafahana manatanteraka ny anjara fanompoana araka ny anjara fahasoavana nomen’Andriamanitra ny tsirairay :
- Fitoriana teny : tafika masina, famporisihana ny mpikambana, sns …
- Fanentanana ny tanora : fialam-boly, fanatanjahan-tena, sns …
- Fandraharahana sy fitantanana : fitadiavam-bola maharitra ho an’ny Sampana
- ary ny talenta maro samihafa
satria hoy ny Apostoly Paoly : Jesoa miantso anao…
« Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy » (I Korintiana 12:12)
Biraon’ny SLK
Filoha : RAKOTONDRAZAKA André
Filoha Mpanampy : xxx.
Mpitantsoratra : xxx.
Mpitahiry vola : xxx.
Mpanolotsaina : xxx.
Birao SLK (sary...)
Lehilahy Kristianina (sary...)
Fandaharam-potoana samihafa
Isam-bolana : Fifampizarana ampiarahalahiana.
Tetiandro SLK
Ireto ny tetiandron'ny SLK mandritra ity taona ity.
Fitsangatsangana SLK : xxx
Volana SLK : Martsa
Fety sy fankalazana samihafa
Fotoan-dehibe Fiangonana : 13 Aogositra 2023 Ivon'ny Fankalazana 120 Taona
Fotoana SLK Foibe FJKM : xxx