Maha izy azy ny Sampana STK Tranovato Ziona Vaovao
Ny Sampana Tanora Kristiana, afohezina hoe S.T.K, dia Sampana iray miorina eto amin’ny FJKM Tranovato Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro, natao hifampitaizana sy hibeazana mba hitomboana amin’ny fahalalana sy finoana an’i Jesoa Kristy, ary hahafahana manompo sy miasa ho Azy mba ho fijoroana vavolombelona amin’ny sehatra rehetra.
Amin’ny maha Sampana velona azy ato amin’ny Fiangonana dia manaja ny Foto-dalàna sy ny Fitsipika FJKM ny S.T.K. sady manaja ny Fitsipika anatiny eto amin'ny Fiangonana ijoroany ary mankato ny Ambaratongam-pitondrana eto amin’ny Fiangonana .
Zava-kendreny
Ny S.T. K, amin’ny asa ataony dia mikendry :
- Fitoriana ny Filazantsara sy fijoroana ho vavolombelon’i Kristy
- Tanora hahay hitoetra amin’ny Tenin’Andriamanitra
- Manabe sy mikolokolo ny tanora amin’ny lafim-piainany rehetra
- Ny hitory ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra ( Mar 16,15)
- Ny hampivondrona sy hanangona ary hitaona ireo tanora ao anatin’ny Fiangonana sy any ivelany mba hiara-miasa hamelona sy hampandroso ary hampiroborobo ny asan’ Andriamanitra ao amin’ny Fiangonana.
- Ny hanainga sy hanentana ny mpikambana samy handray anjara amin’izay tandrifiny azy, araka ny fanomezam-pahasoavana ananany.
- Ny hahatonga ny mpikambana hahalala an’ Andriamanitra sy hitombo amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy mba hiaraha- manompo Azy amin’ny fifaliana.
- Ny hanampy sy hanohana ny Fiangonana
- Ny hampifamatotra ny fifankatiavana sy ny fihavanana eo amin’ny samy mpikambana
Biraon’ny Sampana
Filoha: RAZAFINDRATSIMA Andriamalala Richard
Mpitantsoratra: xxx.
Mpitahiry vola: xxx.
Mpitantsoratry ny vola: xxx.
Sampana Tanora Kristiana (sary...)
Fandaharam-potoana samihafa
Famerenan-kira : xxx
Fiofanana : xxx
Tetiandro STK
Ireto ny tetiandron'ny STK mandritra ity taona ity.
Fitsangatsangana STK: xxx
Volana STK: Aogositra
Krismasy tarihin'ny STK : xxx
Fety sy fankalazana samihafa
Fotoan-dehibe Fiangonana : 13 aogositra 2023
Fotoana STK Foibe FJKM : xxx
Antoko mpihira Narda Fihobiana
