Ny Pasteur Émilien RAZAFIARISON dia zanaky ny Fiangonana Ziona Vaovao Tranovato Alatsinainy Bakaro.

Mpiasam-panjakana izy no namaly ny antso ka nandeha niofana / nianatra Teolojia tany Frantsa. Nandritra ny fivahiniany dia nanampy sy nitaiza ara-panahy tao amin’ny FPMA (Fiangonana Prostetanta Malagasy Andafy / niombonan’ny FJKM sy FLM) izy. Tafaverina teto Madagasikara dia niandraikitra ny FMBM Fikambanan’ny Mpiara-mamaky ny Baiboly. Nanao lahateny sy toriteny maro izy.