Ny tsara ho fantatra momba ny Sakramenta

Fampidirana

  • Roa ihany ny sakramenta eken’ny FJKM : ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo (FDF, Fitsipika and. 15)
  • Mandray anjara eo amin’ny famonjena ny sakramenta

1. Tantaran’ny Sakramenta

  • Fomba fanaon’ny Fiangonana efa hita tao amin’ny Baiboly na ny batisa na ny fanasan’ny

Tompo (Asa 8: 34-38; Asa 2: 41-42)

ØFidirana ho isan’ny tenan’i Kristy ie ny Fiangoanana, fiombonana aina amin’i Kristy

  • Tamin’ny andron’i Tertullien (160-220), rain’ny Fiangonana no nandrafetana voalohany avy tamin’ny fomba fanao romana rehefa manao fianianana ka nampiasaina ilay teny hoe « sacramentum »
  • 7 ny sakramenta notazonin’ny katolika (?), 3 ny an’ny loterana, 2 ny an’ny reforme

2. Fepetry ny Sakramenta

  • Misy TANDINDONA avy amin’ny Testamenta taloha : famorana/batisa, paska jiosy/fandraisana (Gen 17: 911; Eks 12: 5-11)
  • Misy DIDY natao arahina : « ataovy mpianatra…manao batisa azy », « hano…sotroinareo » (Mat 28: 19; mat 26: 26, 27)
  • Maneho FAHATSIAROVANA : faneken’Israely sy i Jéhovah, fahafatesan’i Kristy (1Kor 11: 24, 25)
  • Aseho amin’ny FAMANTARANA : rano, mofo, divay mba hanjary hita maso ny fahasoavan’Andriamanitra tsy hita maso
  • Misokatra ho an’ny OLONA REHETRA: « nisotroan’izy rehetra izany », « firenena rehetra » (Mar 14: 23; Mat 28 : 19)
  • Mirakitra FANEKENA : olombelona/ Andriamanitra (Gen 17: 11; Lio 22: 20)
  • Mitondra FAMELAN-KELOKA ho amin’ny FAMONJENA (Mar 16:16, Asa 2: 38, Mar 14: 24)

3. Foto -pampianarana Fjkm momba ny sakramentan’ny Batisaa

  • Indray mandeha tsy miverina ny batisa ary fomba iray ihany no maha ara-dalàna azy (Ef 4: 4-6; Mat 28: 19) ie RAY – ZANAKA – FANAHY

Fifanakalozan-kevitra : Mat 3 : 13-17; Asa 2: 38; 8: 9-17;

19: 1-7

  • I Kristy Mpamonjy tononina amin’ny fanaovam-batisa no mamela heloka, fa tsy ny rano izay marika ihany (Mar 2: 10; 7: 21-23)
  • Manao batisa ny sokajin-taona rehetra satria nofo sy ra hatramin’ny zaza (Sal 51:5; Heb 2: 14)

4. Foto -pampianarana fjkm momba ny sakramentan’ny fanasan’ny Tompo

  • Dingana tsy maintsy lalovana mialoha ny fanokanana ho Mpandray ny fahavitana batisa
  • Mijanona ho marika hamantarana sy hahatsiarovana an’i Kristy maty teo amin’ny hazo fijaliana ihany ny mofo sy divay (1 Kor 11: 24, 25)
  • Sady tsy « transsubstantiation » no tsy « consubstantiation » ny foto-kevitra teolojikan’ny FJKM fa « présence réelle » (fanatrehan’Andriamanitra)