Ezekiela 33. 10 – 20
Notendrena ho mpaminany i Ezekiela ary irahina hitondra ny hafatr’Andriamanitra amin’ny taranak’Israely izy hampisaina azy ireo fa samy tompon’andraikitra amin’ny ataony avy ny olona tsirairay. Eto dia taomina ny Taranak’Israely fa :
1- Mbola miala nenina Andriamanitra (and 11)
Tian’ny Tompo hahatsapa tsara ireto taranak’Israely ireto fa tia azy ireo ny Tompo ka raha mbola velona izy ireo dia satria mbola mamindra fo Izy, fa raha ny faharatsiana sy ny fahotana izay mbola « eto aminay » araka ny filazan’izy ireo azy dia efa tokony ho faty izy ireo. Isika koa, taomina tsy hanamaivana ny fotoana na ny tombon’andro mbola hialan’ny Tompo nenina amintsika, tsarovy fa misy fetra ny fotoana.
2- Mitaona hiala amin’ny ratsy Izy (and 11b)
« Mialà, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, fa nahoana no te ho faty ianareo ry tarak’Israely ? »; ity no antso ataon’ny Tompo, ny mba hahafoizan’ny olony ny ratsy fanaony ka hiverenany amin’Andriamanitra, mba tsy hamongorana azy. Antso nataon’i Jesoa koa ny hibebahan’ny olony; « Mibebeha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. » Aza mangataka andro ! Mibebaha izao, eto sy ankehitriny.
3- Kanefa hitsara ny natao koa Izy (and20)
« He, ry taranak’israely, samy hotsaraiko amin’ny alehany avy ianareo », amin’ny fotoana mbola hitenenany dia miala nenina sy miandry fanapahan-kevitra amin’ny olona Andriamanitra fa ho avy kosa ny fotoana izay hitsarany ny natao sy izay nosafidian’ny olony! Efa fantatra mialoha ny miandry ny marina sy ny meloka! Manaova safidy tsara!
Fanontaniana:
Ahoana no ahatsapanao fa mbola miala nenina aminao koa ny Tompo ?
SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM