Lahatsoratra avy amin’ny Harivony

1120 of 38 items

Alahady 25 Febroary 2018 – I Sam 15 : 16 – 29

by Harivony

16Fa hoy i Samoela tamin’i Saoly:–Aoka izay, fa hambarako anao izay nolazain’ny TOMPO tamiko halina.Ary hoy izy taminy:–Ambarao àry!17Dia hoy i Samoela hoe:–Na dia nihevitra ny tenanao ho tsy nanao ahoana aza ianao taloha, dia efa tonga filohan’ny foko…

Sabotsy 24 Febroary 2018 – Mat 10 : 5 – 15

by Harivony

5Izy 12 lahy ireo dia nirahin’i Jesoa sady nohafatrafarany hoe:–Aza mandeha any amin’ny faritra onenan’ny hafa firenena ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina; 6fa aleo manatona ny ondry very, dia ny vahoaka Israely. 7Ary rehefa mandeha ianare…

Zoma 23 Febroary 2018 – Jer 2 : 4 – 13

by Harivony

4Ry taranak’i Jakôbasy ry fokon’i Israely rehetra,henoy ny tenin’ny TOMPO5fa izao no lazainy aminareo:Inona moa no hadisoanahitan’ny razanareo tamikono dia nanalavitra Ahy TOMPO izy?Nandeha nanaraka zava-poana izyka dia tonga zava-poana koa!6Tsy nanont…

Alakamisy 22 Febroary 2018 – Apo 1 : 1 – 3

by Harivony

1Fanambaràna1.1 Ny teny grika midika hoe fanambaràna no nahatonga ity boky ity hantsoina hoe Apôkalipsỳ.  nataon’i Jesoa Kristy no aroso amin’ity boky ity. Izany fanambaràna izany dia nomen’Andriamanitra Azy mba hanehoan’i Jesoa Kristy amin’ireo m…

Alarobia 21 Febroary 2018 – Mar 7 : 14 – 23

by Harivony

14Dia nantsoin’i Jesoa hankeo aminy indray ny vahoaka sady nilazany hoe:–Mihainoa Ahy ianareo rehetra ka mahafantara. 15Tsy misy zavatra avy etỳ ivelany miditra ao anatin’ny olona ka mahaloto azy, fa izay mipoitra avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy…

Talata 20 Febroary 2018 – I Jao 4 : 4 – 6

by Harivony

4Rey anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy an’ireny mpaminany sandoka ireny; satria lehibe ny Fanahy Masina izay ao anatinareo noho ny fanahy izay ao amin’izao tontolo izao. 5Ireny mpaminany sandoka ireny dia anisan’izao tontolo iz…

Alatsinainy 19 Febroary 2018 – I Sam 3 : 1 – 14

by Harivony

1Fa i Samoela kely kosa nanompo ny TOMPO teo ambany fitantanan’i Helỳ.Tamin’izany fotoana izany, dia efa nahalana ny fitenenan’ny TOMPO mivantana tamin’olona ary efa vitsy koa ny fahitana avy aminy.2Indray alina dia natory teo amin’ny toerana nahazatra…

Alahady 18 Febroary 2018 – Heb 3 : 7 – 15

by Harivony

7Noho izany, araka izay lazain’ny Fanahy Masina hoe:«Anio, raha renareo ny feon’Andriamanitra,8dia aza hamafisina ny fonareo, tahaka ny tamin’nyandro niodinan’ny razanareo tamin’Andriamanitra,tahaka ny tamin’ny andro nakana fanahy Azy tany an-taniefitr…

Sabotsy 17 Febroary 2018 – Eks 23 : 20 – 23

by Harivony

20«Haniraka anjely iray hialoha anareo Aho, mba hiaro anareo eny an-dàlana; izy no hitarika anareo ho ao amin’ny tany izay efa nomaniko ho anareo. 21Mitandrema tsara eo anatrehany ka henoy izay lazainy, ary aza manohitra azy; fa tsy mahazaka fikomiana …

Zoma 16 Febroary 2018 – Jak 1 : 16 – 25

by Harivony

16Aza mamita-tena, ry havako malala: 17ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana lavorary rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’Andriamanitra Ray, mpahary ny fanazavana eny amin’ny habakabaka, Ilay tsy manam-piovaovana ary tsy misy aloka avy …

Fjkm Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro