Lahatsoratra tamin’ny 2018

1120 of 50 items

Zoma 02 Martsa 2018 – Eze 14 : 6 – 11

by Harivony

6Noho izany, ambarao amin’ny Israelita fa iza no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Ialao ny toe-dratsy, ilaozy ny sampinareo sy ny fomba rehetra maharikoriko fanaonareo.›7«Raha misy Israelita na vahiny monina ao Israely14.7 Ny vahiny nonina tao Israely …

Alakamisy 01 Martsa 2018 – Mat 4 : 12 – 17

by Fjkm AlatsinainyBakaro

12Nony ren'i Jesoa fa naiditra am-ponja i Jôhany4.12 naiditra… Jôhany: i Jôhany Mpanao batisa no ambara eto. Jereo Mt 14.3., dia lasa nankany Galilea Izy. 13Ary nilaozany i Nazareta ka lasa Izy niorim-ponenana tao Kafarnahòma, tanàna amoron'ny farihin'i Galilea, anatin'ny faritanin'i Zebolòna sy i Naftalỳ4.13 I Zebolòna sy i Naftalỳ dia ireo foko anankiroa niorim-ponenana tany amin'ny faritra avaratr'i Israely, ka isan'iny Galilea faha-Jesoa iny.. 14Ka tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'i Isaià mpaminany hoe:
15«Ry tanin'i Zebolòna sy i Naftalỳ,
ry lalana amoron'ny farihy,
ry faritra ampitan'i Jôrdàna,
ry Galilea onenan'ny hafa firenena,
16ny vahoaka izay mihitsoka amin'ny maizina
dia nahita hazavana lehibe,
ary ny olona izay mihitsoka amin'ny toerana alofan'ny fahafatesana
dia niposahan'ny hazavana4.16 Is 8.3–9.1..»
17Hatramin'izay i Jesoa dia nanomboka nitoriteny ka nanao hoe:
–Ialao ny toe-d ratsy4.17 Ialao ny toe-dratsy: jereo ny FTS amin'ny voambolana hoe FIBEBAHANA., fa efa akaiky ny Fanjakàn'ny lanitra.
Hafatra efa nampitondraina an'i Jaona mpanao hatisa no nentin'i Jesoa eto indray. Mifanohy tsara ny asa nanirahana azy ireo. Mifanarana ny asan'i Jaona Mpanao Batisa. fa manomhoka kosa ny an'i Jesoa.
1- « Mibebaha », hoy nv Tompo !
Mandidy antsika hihebaka ny Tonipo amin'izao andro farany izao. Ny nahafoizany ny ainy ho fisoloana antsika teo amin'nv hazofijaliana dia ny mba hanafaka antsika amin'ny fahotana. Koa aoka isika hiala amin'ny ratsy fanao. izay mampisaraka antsika Aminy. Ny fibebahana no làlana hitodihana amin'Andriamanitra ary hiambohoana ny faharatsiana rehetra isan'andro. Manatona an'i Jesoa Kristy mba hodiovinv sy horaisinv ary hanao ny asany ka ho tonga zanak'Andriamanitra rehefa tarihin'ny Fanahinv.
2- « Efa akaikv nv fanjakan'ny lanitra »
Te hanome fampanantenana feno sy mazava ny fihavian'ny fànjakan'ny lanitra ny Tompo. Tanteraka tamin'ny nampiakarana Azy any andanitra ny fanokafany ny varavaran'nv lanitra mba hampidirany antsika. Manomana antsika hiara-mitoetra Amin'ny Tompo ka aoka ho vita fihavanana Aminy isika. Ampy ny fitarihany antsika amin'ny alalan'ny Fanahy Masina. koa mivonona hanatrika ny Tompo. Mivoha ho an' izay manaiky an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy azy ny fanjakan'ny lanitra.
Fanontaniana :
Vonona ve ianao amin'izay voalaza eto ?

Alakamisy 01 Martsa 2018 – Mat 4 : 12 – 17

by Harivony

12Nony ren’i Jesoa fa naiditra am-ponja i Jôhany4.12 naiditra… Jôhany: i Jôhany Mpanao batisa no ambara eto. Jereo Mt 14.3., dia lasa nankany Galilea Izy. 13Ary nilaozany i Nazareta ka lasa Izy niorim-ponenana tao Kafarnahòma, tanàna amoron’ny farihi…

Alarobia 28 Febroary 2018 – Jao 8 : 39 – 47

by Fjkm AlatsinainyBakaro

39Dia niteny tamin'i Jesoa ry zareo nanao hoe:
–I Abrahama no rainay!
Fa hoy i Jesoa taminy:
–Raha tena zanak'i Abrahama ianareo, dia ho nanao ireo asan'i Abrahama8.39 dia ho nanao ireo asan'i Abrahama: misy stf maro ahitana hoe dia manaova ireo asan'i Abrahama.–ireo asan'i Abrahama: ampit Heb 11.8-19.. 40Nefa ankehitriny tadiavianareo hovonoina Aho, dia Izaho nilaza taminareo ny marina izay efa reko tamin'Andriamanitra: tsy mba nanao izany i Abrahama! 41Fa ianareo kosa dia ny asan'ny rainareo no ataonareo.
Dia hoy ireo taminy:
–Tsy zaza sary izahay no nateraka; tokana ihany ny rainay, dia Andriamanitra.
42I Jesoa kosa nanao taminy hoe:
–Raha Andriamanitra no tena Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ; tsy avy amin'ny tenako no nahatongavako, fa Izy no naniraka Ahy. 43Ahoana no tsy ahazoanareo ny fiteniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo. 44Ny devoly no ray niavianareo, ka ny filàndratsin'ny rainareo no satrinareo hatao. Ny devoly dia mpamono olona hatrany am-boalohany; ary tsy nitoetra tamin'ny marina izy, satria ny marina tsy ao aminy. Raha mandainga izy, dia miteny araka ny toetrany satria mpandainga izy sady rain'ny mpandainga. 45Fa Izaho kosa tsy inoanareo, satria ny marina no lazaiko. 46Iza moa aminareo no afaka hanaporofo fa nanota Aho? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy 47Izay avy amin'Andriamanitra no mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy avy amin'Andriamanitra ianareo!
Ny tena zanak' Andriamanitra
1- Manao asa tsara
Milaza ho zanak i Abrahama ireto jiosy miresaka amin'i Jesoa Kristy. Ny toetra anefa dia mifanohitra tanteraka amin'izany satria i Abrahama dia olon'ny finoana, feno fahatokiana sy fankatoavana an' Andriamanitra. Tsy manana ny toetran'i Abrahama ireto jiosy ireto. I Jesoa Kristy milaza ny marina, manao ny asan'Andriamanitra indray no notadiavin'izy ireo hovonoina. Asa ratsy no kasain'izy ireo atao. Tsarovy fa ny tena zanak' Andriamanitra dia mino sy mankatoa ny Tenin'Andriamanitra ary mivonona hanao asa tsara mandrakariva.
2- Mihaino nv Tenin' Andriamanitra
Aharihary eto fa zava-dehibe eo amin'ny fíainan'ny zanak'Andriamanitra ny fahaizana mihaino Azy, ny fanarahana, ny fankatoavana na fampiharana eo amin' ny fiainana izay lazainy. Ny Teniny no mampifandray ny zanany amin'Andriamanitra Ray koa izay zanany marina tokoa dia mangetaheta ihaino izay lazainy isan'andro. Manokana fotoana isan'andro ahafahanao mihaino ny Tenin'Andriamanitra, hifaneraseranao Aminy, handraisanao ny toro-lalana hitondranao ny fiainana dia ho tena zanany marina tokoa ianao.
Fanontaniana:
Inona no vokatsoa azo amin'ny fíhainoana ny Tenin' Andriamanitra ?

Alarobia 28 Febroary 2018 – Jao 8 : 39 – 47

by Harivony

39Dia niteny tamin’i Jesoa ry zareo nanao hoe:–I Abrahama no rainay!Fa hoy i Jesoa taminy:–Raha tena zanak’i Abrahama ianareo, dia ho nanao ireo asan’i Abrahama8.39 dia ho nanao ireo asan’i Abrahama: misy stf maro ahitana hoe dia manaova ireo asan’i Ab…

Talata 27 Febroary 2018 – I Mpa 11 : 38 – 39

by Fjkm AlatsinainyBakaro

38Raha henoinao izay rehetra andidiako anao ka izoranao ny sori-dalako ary ataonao izay mahitsy eo imasoko sady tandremanao ny lalànako sy ny didiko tahaka ny nataon'i Davida mpanompoko, dia hiaraka aminao Aho ka hampiorina taranaka maharitra ho anao tahaka izay nataoko tamin'i Davida; ary dia homeko anao i Israely11.38 Israely: ireo foko folo any avaratra no ambara amin'izany., 39mba hampietreko ny taranak'i Davida –nefa tsy ho mandrakizay akory izany.
Ny olom-boafidin'Andriamanitra
1- Manaraka nv toro-lalana avy amin'Andriamanitra
Aseho fa Andriamanitra mihitsy no mifìdy sv hametraka an'i Jeroboama ho mpanjakan'ny Israely rehefa hizara roa ny fanjakana. Manoloana izany andraikitra izany dia mananatra an'i Jeroboama Izy fa mandeha amin'izany tíany hitondrany nv fanjakana izy fa manaraka ny toro- marika avy amin'Andriamanitra hatrany. Adidiny nv mihaino ny Tenin'Andriamanitra ambara aminy. ny manaraka ny làlana voasoritr'Andriamanitra hizorana arv indrindra ny miaina sy ny mivelona amin'izany.
2- Ampanantenana fitahiana
Raha manaraka tsara ny toro-marika omen' Andriamanitra azy i Jeroboama dia voalaza eto fa hotanterahin'Andriamanitra aminy ny fiainam-pitahiana: “ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao … ary homeko anao ny Israely”. Maneho izany fa fahombiazana ho aifny fítondran'ny olomboafidin' Andriamanitra ny fanekena hihaino sy handray ny toro- marika omeny. Izay tsy mety mihaino. tsy mandray kosa dia fahapotehana sy faharavana. Meteza ianao hihaino. handray ny toro-marika avy amin'ny tenin' Andriamanitra hitondranao ny fiainanao dia ho tsapanao fa fìainam-pitahiana ho tanterahiny ho anao.
Fanontaniana :
Nanao ahoana ny fiainan'i Jeroboama rehefa tonga mpanjaka tao amin'ny fanjakana avaratra izy? Inona no fampianarana ho anao amin'izany?

Talata 27 Febroary 2018 – I Mpa 11 : 38 – 39

by Harivony

38Raha henoinao izay rehetra andidiako anao ka izoranao ny sori-dalako ary ataonao izay mahitsy eo imasoko sady tandremanao ny lalànako sy ny didiko tahaka ny nataon’i Davida mpanompoko, dia hiaraka aminao Aho ka hampiorina taranaka maharitra ho anao t…

Alatsinainy 26 Febroary 2018 – Asa 13 : 44 – 52

by Harivony

44Ary tamin’ny sabata herin’io, dia saika tafangona avokoa ny mponina rehetra ao an-tanàna mba hihaino ny tenin’Andriamanitra. 45Tonga feno fialonana ny Jiosy nony nahita ny vahoaka maro, ka sady nanohitra ny teny voalazan’i Paoly no nanevateva azy. 46…

Alahady 25 Febroary 2018 – I Sam 15 : 16 – 29

by Fjkm AlatsinainyBakaro

Tsy nandray ny toromarika nambaran’i Samoela i Saoly mpanjaka . Nihevitra ny tenany ho nanan-tsaina ambony , ary nahazo sambobelona an’i Agaga mpanjakan’i Amalekita ka nanao fanatitra ho an’ Andriamanitra tamin’ireo biby heveriny ho tsara sy matavy. Diso hevitra izy noho izany…

Fjkm Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro