Mihainoa ny Tenin’ny Tompo

Asan’ny Apostoly  13.44-52

Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy

1-Natao  ho an’ny olona rehetra 

Mitombo hatrany  ireo  sokajin’olona nihaino  ny fitoriana ny Filazantsara  nataon’i Paoly sy Barnabasy . Tsy  ireo  Jiosy  ihany  fa teo  ny jentilisa    izay tena liana tokoa . Rehefa   nahita  izany ny Jiosy  dia velom-pialonana , nanohitra  ary nitady ny fomba rehetra  hanakorontanana mba hahatonga  fanenjehana ireto  mpitory  ny Filazantsara  . Tsy nampihemotra  ny ny mpitory anefa izany  fa feno fahasahiana hatrany izy ireo  nanambara  ny andraikitra nanirahana azy  dia ny  hitondra fanazavana any amin’ny jentilisa (and47). Tian’ Andriamanitra  loatra ianao  . Koa maniraka ny  mpanompony hitory ny teniny  aminao Izy. Mahaiza mihaino  ny Tenin’ Andriamanitra.

2-Mitondra  fifaliana  ho  an’izay  mandray 

Ireo Jiosy tsy  nihaino ny Tenin’ Andriamanitra  dia feno  fialonana  sady  nikotrika fanakorontanana. Na dia teo  aza izany   sy ny fanoherana nataon’ireo  mpitarika tao amin’ny  synagoga dia tsy tana fa nandroso  hatrany   ny asa fitoriana nataon’i Paoly sy Barnabasy. Niavaka kosa ny fiainan’ireo  nihaino  sy nandray ny Tenin’Andriamanitra .

« faly izy ka nankalaza ny Tenin’ Andriamanitra , ary voalahatra  ho amin’ny fiainana mandrakizay izay nino« (and 49). Meteza isika mba hihaino  sy handray  marina ny Tenin’ Andriamanitra , dia ho resy ny fialonana ka hanana fiainam-pifaliana mandrakariva isika satria  azo antoka ny fiainana mandrakizay omen’ny Tompo  antsika mpino  Azy.

Fanontaniana:

Manana andraikitra  ve ianao  amin’ny fanohanana ny  mpitory ny Filazantsara ? Inona avy izany ?