Mofonaina 8 Août 2023: Heb 10³⁵-³⁹
35. Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe. 36. Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. 37. Fa “rehefa afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra” 38. Ary “ny oloko marina* dia ho velon’ny finoana;” Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab 2³-⁴). 39. Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy.
MAMPANDROSO NY FINOANA.
Matoa mihemotra, mbola tsy niorina izay. Ny miorina tsara ihany no afa-mandroso. Ny fampandrosoana dia misy heviny roa: fanorenana foto-drafitr’asa (développement), fampiorenam-pinoana (édification). Ny teny grika nihaviany dia ny oikodoméo= bâtir, construire, édifier. Raiso amin’izany ny fanoharana nataon’i Jesoa: manorina ambony vatolampy fa tsy eo ambony fasika (Mat 7²⁴-²⁷). Ny foto-drafitr’asa tsy misy fototra na ratsy fototra dia mora mirodana. Fototra aloha (édification) vao asa na foto-drafitr’asa (développement).
Matoa mihemotra na mandroso mankany aoriana (araka ny tenin-dRajao: avancéo hihemotra), dia tsy manana fototra teo ambony vatolampy fa teo ambony fasika. Vakio Heb 10¹⁹-³⁵: noho ny finoana dia voasasa sady voadio ianao, mizotra amin’ny làlana vaovao sady velona, manana Mpisoronabe hafa noho ny hafa ka tsy maintsy : manatona an’i Kristy, mihazona Azy, mifamandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara, tsy mahafoy ny fiaraha-mivavaka. Raha tsy izany, fa minia manota, dia ho any amin’ny helo.
Mandrosoa ary, fa aza mihemotra.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source