Habakoka 2, 1-4

Ny Tompo Andriamanitsika

1-Mendrika hitarainana

« Hijoro eo ambonin ‘ny manda aho, hiandry hahitako izay holazainy amiko » (and lb). Efa hatrany amin’ny toko voalohany velon-taraina tamin ‘ny Tompo i Habakoka mpaminany. Eo anatrehan ‘ny fanjakazakana izay nafitsoky ny Jentilisa, manoloana ireo fampahoriana ataony, noho ny loza mihatra amin’ny vahoakan’Andriamanitra dia tsy nisalasala nitaraina tamin’ny Tompo i Habakoka. Tsy niresaka tamin’ny sampy tahaka nv fanaon’ny Jentilisa izy fa avy hatrany dia ny Tompo mivantana no nangatahany fanazavana. Azontsika atao ny mitaraina mivantana amin’ny Tompo amin’ny alalan ‘ny vavaka atao aminy.

2- Mitaky faharetana

« Andraso ihany, fa ho avy tokoa izy… » (and 3d). Efa maika amin’ny fahazoana valinteny avy amin’ny Tompo i Habakoka. Efa dodona te- hahita ny Jentilisa iharan’ny famaizana avy amin’ny Tompo. Teo anatrehan’izany indrindra dia nampanantena ny Tompo hoe: « Andraso ihany, fa ho avy tokoa izy« . Tsy anjarantsika no mamaritra na marmetra mialoha izay fotoan’ny Tompo fa lzy no mahalala ny fotoana nety sy izay mahasoa antsika.

3-Manome valim-bavaka

« Fa ny marina ho velon ‘ny finoany » (and 4d). Fanantenana lehibe eo amin’ny mpino ny fahafantarana fa na eo aza ny loza samihafa izay mitatao ombieny ombieny dia tsy handaitra amin’ny mpino ny faharavana na faharesena sanatria. Vao mainka tonga fitaovana mampahery sy mampitraka ary mamelombelona ny finoana aza ireny.

Fanontaniana :

Inona avy no tokony hataontsika rehefa miatrika olana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM