Mofonaina 6 Mat 2023: Asa 1¹-¹⁴
Asan’ny Apostoly sa Asan’ny Fanahy Masina no tokony ho anaran’ny boky?
Raha ny fijerin’ny maro, dia Asan’ny Apostoly tamin’ny HERIN’NY FANAHY MASINA. Raha tsy ao anaty ny Fanahy Masina, dia sady tsy manan-kery ny Apostoly no tsy manam-pahalalana hitoriana an’i Jesoa Kristy maty sy nitsangana tamin’ny maty. Koa raha Andriamanitra mahay ny zavatra rehetra (Dieu Omniscient) no hitantsika omaly, dia Andriamanitra mahery na Tsitoha (Dieu Omnipotent) kosa no mihasinkasina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina anio. Ny Fanahy Masina ary no HERY:
1-HERY MANDIDY: Jesoa no nandidy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny tsy hialan’ireo Apostoly tao Jersosalema, fa hiandry ny fanosorana.
2-HERY MANOSOTRA: hosotra na batisa tamin’ny rano no nataon’i Jaona, fa hosotra avy amin’ny Fanahy Masina kosa no homena azy ireo afaka andro vitsivitsy. Tanteraka io afaka 10 andro taorian’ny fiakaran’i Jesoa nankany an-danitra
3-HERY MANIRAKA: minitra na segondra akory aza ny fanosorana, fa mandra-pahafaty ny iraka na asa fonompoana. Toerana iray no nanosorana, fa manerana izao tontolo izao ny iraka na ny asa (1⁸). Matoa irahana dia fitiavany omeny anao izany.
4-HERY MAMPIRAY: 1¹⁴: “Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka…” Raha sanatria mpitory ny Filazantsara mampisaraka dia tsy iraky ny Fanahy Masina. Ny maha- iray no fototry ny asan’ny Fanahy Masina amintsika. Mila mitandrina sao fanahy mantsina no miasa. Diniho fa mitovitovy nefa mifanohitra tanteraka ny Masina sy mantsina.
HAFATRA : ny TELO IZAY IRAY, ny RAY sy ny ZANAKA ary ny FANAHY, dia niombona hatramin’ny fahariana izao tontolo izao, tsy hisaraka mandrakizay. Matoa niakatra Jesoa dia vita ny anjara asany amin’ny maha-ZANAKA AZY. Ny andro niakarana rahateo no misongadina eto. Tsy tapaka ny asa, fa tonga amin’ny andron’ny Fanahy Masina ankehitriny. Noho izany, aza misaraka na mihevi-tena ho tompon’ny asa na mahavita samirery. Tsy maintsy miaraka.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires