1 TIMOTY 3.14-16
Ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra » (and16a)
1-Tonga nofo i Jesoa
Ilay Andriamanitra fanahy dia tonga manam-batana. Ilay Andriamanitra Mpahary dia tonga zava-boahary mety maty . Ao amin’iJesoa no ananantsika olombelona fifandraisana marina amin’Andriamanitra . Fahafahana ho an’izay ho very izany ,fa herin’Andriamanitra kosa ho antsika izay hovonjena ( 1 Kor 1.18) .
2-Jesoa nohamarinina tamin’ny Fanahy ,hitan’ny anjely
Ny anjely no nilaza tamin’ny mpiandry ondry ny amin’ny fahaterahan’i Jesoa ,ary tamin’ny nanaovana batisa azy dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: » Ity no Zanako malalako izay sitrakao ,Izy no henoy » (Mat 17.5).Toy izany koa tamin’ny andro niakaran’i Jesoa tany Jerosalema , dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : « Efa nankalaza Azy Aho , ary hankalaza azy indray » (Jao 12.28)
3-Jesoa notoriana tany amin’ny Jentilisa
Noho ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao no nitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy manerana ny tany rehetra ,fa tsy nijanona ho an’ny Jiosy ihany .Tsy misy fetra ny fitiavan’Andriamanitra. Ny fisian’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao dia « famantarana’ ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao .
4-Jesoa nakarina tamin’ny voninahitra
Ampiasain’ny mpanoratra eto ny teny hoe: « nakarina » mba hanasongadinana ny fanandratan’Andriamanitra Azy . Ao amin’iKristy no efa tanteraka ny fanandratana antsika sy ny fiakarantsika any an-danitra ( jereo Efes 2.6). Isika izay manana firaisana amin’iJesoa amin’ny finoana dia hiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra
Fanontaniana :
Aminao , iza moa i Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM