Mofonaina 30 Jona 2023: Sal 124¹-⁸
Ny mofonaina anio dia fampitodihana tamin’ny lasa, sy fisaorana ankehitriny, ary fibanjinana ny ho avy.
1-nomba Jehovah tamin’ny lasa.
Ny matoanteny rehetra eo amin’ny and.1-5 dia amin’ny fotoana lasa tsy miverina (temps parfait, aoriste amin’ny grika). Nomba Jehovah. Raha tsy izany: efa voatelina, efa difotra, efa safotra. Fa noho ny nomban’i Jehovah ny olony, dia ny nihevi-tena ho mahery indray no niharan-doza, toy ny Egyptiana natelin’ny ranomasina mena. Soa fa nomba Jehovah. Aza adinoina izay nombany antsika tamin’ny lasa.
Inona ary no hatao ankehitriny ?
2-misaora AZY ankehitriny
And.6: “Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin’ny nifiny.”
Ny fisaorana dia fankasitrahana izay nanisy na nanome na nanolotra fahasoavana. Ny fahasoavana dia tsy tamby na karama. Tsia. Tsy izany velively. Tsy valim-pitia ihany koa, fa famindrampo sy fiantrana. Ny olon-diso sy olo-meloka no notolorana izany. Tsy misy fahamarinan’ny Zanak’Isiraely na i Davida. Fantatsika ny fahadisoany. Noho izany fahasoavana izany no tsy maintsy isaraorana AZY ankehitriny.
Ahoana no tsy maintsy hiandrandrana izany fahasoavana izany?
3-mbola IZY no antoka amin’ny ho avy.
Abd.8: “Ny famonjena antsika dia amin’ny anaran’i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.”
Tsy nahavonjy tena teloha. Tsy mahavonjy tena ankehitriny. Tsy hahavonjy tena amin’ny ho avy. Jehovah no efa nahary izao rehetra izao avy amin’ny tsy misy, sady miantoka ny fiarovana ankehitriny. Jehovah no hany afaka hamonjy amin’ny ho avy. Raha vao tsy momba IZY dia faharinganana sy fahalevonana no tsy maintsy hiafarana. Noho izany, aza miala, aza mahafoy, aza manadino AZY. IZY NO IZY. IZY NO HANY ANTOKA.
Miantso antsika hatrany izao mofonaina izao hahatsiaro ny soa tsy tambo hotanisaina tamin’ny lasa, ka isaorana AZY, sy hametrahana ny ho avintsika mba hidirana ao amin’ny fiainana mandrakizay izay nomaniny ho an’izay mahay mankasitraka AZY.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source