1 Petera 2. I- 10


Kristiana tany Azia minora (Turquie ankehitriny) no nandefasan’iPetera ity Epistiliny ity. Kristiana niaina teo ambany fifehezan ‘nv Romana, fa rehefa resy lahatra ny amin’i Jesoa dia tsy nandray anjara tamin’ny fivavahana tamin’ny Amperora intsony, tsy nanao ny fety Jentilisa intsony hany ka nampangaina ho mampizarazara fiaraha-monina. Fampaherezana sy famporisihana araka izany no vontoatin’ny Epistily, ary hafatra’ manokana ho antsika anio avy amin’ izany koa ny ho e: satria nandray an’i Jesoa ho Tompo sy
Mpamonjy ianao dia:
1-Diovy ny fonao (and I,2)
«Koa esory aminareo ny lolompo rehetra…maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka», raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe : rehefa nanapa -kevitra hiova ihany dia miova hatramin’ny fakany ka miala amin’ny toetra sy ny fiainana nilomana taloha izay tsy nahamendrika sady tsy nifanaraka amin’ny filazantsara rahateo. lo ilay lazain’i Jesoa hoe : «siny hoditra vaovao no asiana divay vaovao dia miara-maharitra» (Lio 5. 37). Sahia àry manomboka anio mahafoy ireny toetra tsy mifanaraka amin’ny fanoloran-tena ireny fa hiroso kosa hikatsaka ny hitomboana mandrakariva amin’ny lainan-baovao ao amin’i Kristy.

2-Tsarovy fa manan-danja manokana ianao

« Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy… firenena masina, olona nalain’Andriananitra ho an ‘ny tenany » hoy i Petera .Maneho izany fa voafidin Andriamanitra tao anatin’ny maro ianao , ary ilainy ianao amin’izany hanitatra ny ambaindain’ ny fanjakany «hilaza ny fahatsarany» ,izany hoe : anjaranao ny mitory sy mampahalala ny famonjena hahatonga ny hafa handray izany koa. Torio Kristy, fa ianao no efa mahalala ny hatsarany , zarao soa izany .Aza mandraraka ilom-by an-doha !
Fanontaniana :
Manao ahoana ny fiainanao ny naha- Kristiana anao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM