Mofonaina 23 Jona 2023: Lio 7¹-¹⁰
And.6-7: “Tompoko, aza manahirana ny tenanao Ianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho. Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.”
Ny olon’afaka dia tsy mijery ny voninahitry ny tenany fa mijery ny voninahitry ny Mpamonjy
1-kapiteny manetry tena.
Manana ny lazany sy ny fahamboniany ny kapiteny voalaza eto. Tompon’ny fahefana amin’ny miaramila feheziny, indrindra ny firenena izay nanirahana azy. Tsy misy tsy azony baikoina na ny miaramilany na ny firenena Jiosy. Kanefa tsy nijery izany IZY. Manaiky fa ambany dia ambany raha milahatra amin’i Jesoa Kristy. Izany indrindra no nitenenany hoe: “…tsy miendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho…tsy miendrika hankeo aminao.”
2-kapiteny manandratra an’i Jesoa.
Rehefa misandratra ianao, mietry Jesoa; fa rehefa mietry ianao dia misandratra IZY. Ny fietrin’ny kapiteny no manandratra an’i Jesoa. Finoana manambara izany fa IZY NO TOMPON’NY FAHEFANA REHETRA, TOMPON’NY FAHAIZANA AMPAM-PAHALALANA REHETRA. Izay lazainy ho tanteraka, izay sitraniny tsy maintsy salama. Finoana anekena ny tsy fahaizan’ny tena, ka itodihana amin’ILAY MAHERY, ILAY MAHAY NY ZAVATRA REHETRA. Voaporofo ny fahamarinan’izay, araka ny tenin’i Jesoa hoe: “Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’ny Isiraely aza.” (and.9). Nanaraka ho azy ny fanasitranana ny mpanompony.
Ry havana malala,
Sao mbola ao amin’ny fiheveran-tena ho ambony isika? Sao mbola mihevitra hahavita-tena isika?
Izao mofonaina izao no mampianatra antsika hanetry tena, ka ho sitrana amin’ny lafiny rehetra. Hoy Jesoa: “… izay manetry tena no hasandratra.” (Mat 23¹²). Izy no afaka manandratra fa tsy ny tenantsika. Hoy Petera: “Koa amin’izany manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro” (1Pet 5⁶)
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source