SALAMO 31.1-8
Iorenan’ny fanafahana ny Tompo
Ity Salamo ity dia maneho ny fatokian’i Davida an’Andriamanitra eto fa:
1-Misahirana ny amintsika Andriamanitra
Ireo asa fikarakarana ambaran’i Davida dia notononiny amim-patokiana an’Andriamanitra , satria fantany fa afaka manantanteraka izany Andriamanitra . Faialofana,fitarainana,fiarovana mafy ,manafaka Andriamanitra aminy .Ary nahasahiany niteny fa eo amin’Andriamanitra no hanolorany ny fanahiny .Afaka andro vitsy dia hankalaza ny vanim-potoana niverenan’ny fahaleovan-tena isika Malagasy .Tena fialofantsika ,fitarainantsika ,fiarovana mafy ho antsika ary tena mpanafaka antsika malagasy ve Andriamanitra Rain’i Jeso aKristy Tompo? Eo amin’ny and 6 Davida dia milaza hoe : halany ary tsy ankasitrahany ny hanompo sampy.Ary isika ve afa-nanary ny sampintsika ? Hoy i Jesoa : » Koa raha ny zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo « (Jao 8.36)
2-Mampitoetra antsika amin’ny fiadanany
Ahariharin’ity and roa ity fa tsy ataon’Andriamanitra ho zava-maivana ny fiankinana .Fa tonga mody fifaliana sy firavoravoana ny fahoriana ary omeny fahafahana manoloana ny gejan’ny fahavalo .Isika ihany koa no anambarany izany anao.Miandry antsika hiverina Aminy Andriamanitra hamerenana antsika amin’ny fiadanany .Hoy i Jesoa : »Fiadanana no avelako ho anareo ,ny fiadanako no omeko anareo ,tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo » (Jao 14.27)
Fanontaniana:
Inona avy ny sampy efa narianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM