Mofonaina 18 Jolay 2023: 1Kor 1²⁶-³¹
Paoly Apostoly mananatra sy manitsy ny mponina tao Korinto mba hitoky amin’i Jehovah fa tsy amin’olona.
1-Hevero ny fiantsoana anareo.
Hevero= alalino, saintsaino, fakafakao, hadihadio, diniho lalina. Nahoana? Satria adala, malemy, iva razana no nantsoina. Tsy misy manana toetra mendrika na iray aza. Ohatra ireto:
1.1-Mosesy: votsa vava (Eks 4¹⁰)
1.2- Davida: mpiandry ondry no nosorana ho mpanjaka (1Sam 16)
1.3-Isaia dia maloto molotra sady ao amin’ny firenena maloto molotra: mpanota no dikan’izany (Isa 6⁵)
1.4-Jeremia: zaza tsy mahay mandaha-teny fa votsa vava (Jer 1⁶)
1.5-Matio mpamory hetra= mpangoron-karena, mpangalatra ambony latabatra (Mat 9⁹-¹⁷)
1.6-Petera: mpanarato trondro no ho mpanarato olona (Mat 4¹⁹)
1.7-Saoly mpamono olona (Asa 8¹), lohan’ny mpanota (1Tim 1¹⁵)
Ny mponina tao Korinto izay nantsoina ho amin’ny fanavotana dia tsy misy marina fa nohamarinina. Koa Hevero ny fiantsoana anao ka manette tena.
2-Matokia sy mirehareha amin’i Jehovah.
Tsy natoky an’i Jehovah izy ireo fa natoky olona, ka niteraka korontana na fizarazarana (and.12). Tsy misy azo itokiana ireo na Paoly, na Apolosy, na Kefasy (Petera), na Kristy (tsy Jesoa akory io fa Krispo saingy diso ny fanoratana na diso tsipelina. Mitovitovy ny t sy p amin’ny grika).
Ny nantsoina rehetra raha nahery sy nandresy dia noho Jehovah, fa tsy noho izy:
2.1-Mosesy nomban’i Jehovah (Eks 4¹¹-¹²)
2.2-Davida nandresy an’i Goliata (1Sam 17)
2.3à7- Isaia, Jeremia, Matio, Petera raha nahatontosa ny maha-mpaminany sy maha-Apostoly azy dia noho ny herin’i Jehovah. Paoly Apostoly raha nahatanteraka ny fihazakazahana dia noho ny fomban’ny Tompon’ny fahefana azy.
Raha olona no ireherehanao dia hifanditra sy hiady amin’ny hafa ianao ka ho any amin’ny helo. Jehovah ihany no azo antoka: sady tsy manan-tsiny, marina sy masina ary tsy mivadika. Izany no nanambaran’i Paoly hoe: “Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany.” (and.31)
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source