2Timoty 2. 8-13

Ny olom-boafidin’Andriamanitra

1- Miaritra fahoriana ho famonjena ny hafa

«Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ny olom-boafidy, mba hahazoan’ireny koa famonjena... » (and.10) Niaritra fahoriana, fatorana, nampidirina tao an-tranomaizina i Paoly Apostoly noho ny amin’ny Filazantsara mba hamonjena ny olom- boafidy. Ny olom-boafidy tiana hambara amin’izany dia ireo izay mandre ny Filazantsara ka mino. Noho izany, aza gaga raha nanolo-tena ho olom-boafidin Andriamanitra ianao ka miaritra fahoriana noho ny amin’ny Filazantsara , satria misy olona nofidin’Andriamanitra tiany hovonjena amin’ny alalanao any ho any. Ny fandrenesan’ireny olona ireny ny Anaran’i Jesoa Kristy no mahatonga azy hino an’i Jesoa Kristy. Ho anao olom-boafidin’Andriamanitra, mivonona hiaritra fahoriana noho ny Filazantsara.

2- Manantena hiara-belona amin’i Kristy

« Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa » (and. 11) Rehefa manaiky hiaritra fahoriana noho ny amin’ny Filazantsara ny olom-boafidin’ Andriamanitra, dia mahazo antoka fa miombona amin’i Jesoa Kristy. Ary tsy fiombonana amin’ny finoana ihany izany fa manantena hanatri-maso an’i Jesoa Kristy rahatrizay. Araka izany, tsy very maina ny fiaretan’ny olom-bofidin’ Andriamanitra noho ny amin’ny Filazantsara fa misy valiny lehibe, dia ny fiarahana manjaka amin’i Jesoa Kristy. Koa aza kivy na ketraka raha miaritra fahoriana noho ny amin’ny Filazantsara, aza mihemotra fa mahareta hatramin’ny farany satria efa nanomana valim-pitia lehibe ho anao, dia ny fiainana mandrakizay. Ny fanantenana kristiana dia mitoetra amin’ny teny fampanantenana tsy miova nataon’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana :

Hatraiza ny fiarelanao fahoriana noho ny filazantsara?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM