LIOKA 14.25-35
Ny mpianatr’i Jesoa Kristy
1-Voninahitra hiaritra fahoriana
« Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy dia tsy azo ekena ho mpianatro izy » (and27)
Fanao matetika teo amin’ny olona nampidirina an-tranomaizina voaheloka ho faty eo amin’ny hazo fijaliana tany Palestina , ny taonjato voalohany , ny mitondra ny hazo fijaliana hatreo amin’ny toerana hanomboana azy . Ampiasain’i Jesoa Kristy izany fomba izany entiny ilazana ny fanarahan-dia Azy .Nanolotena ho faty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa Kristy hamonjy ny mpanota .Noho izany , ny olona izay mandray izany famonjena izany ihany koa dia tokony hametraka ho laharana voalohany eo amin’ny fiainany ny fanarahana an’i kristy .Tsy mijanona amin’ny maha-mpianatra fotsiny ihany fa manaiky hiaritra fahoriana noho ny amin’i Kristy mihitsy .
2-Mahafoy ny zavatra rehetra
« ...izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo dia tsy azo ekena ho mpianatro » (and33) .Araka ny efa nambara teo aloha , ny finoana an’i Jesoa Kristy dia fanekena matotra eo amin’ny fiainana .Ka ireo rehetra izay heverin’ny olona ho ambony eo amin’ny fiainany dia tsy maintsy afoy , toy ny fianakaviana , ny firenena, ny tombontsoa, ny fiainana manokana .Rehefa manara-dia an’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy mahafoy ny zavatra rehetra , eny fa na dia izay heverina ho sarobidy indrindra aza .Noho izany , aza ataonao ho sakana tsy hahafahanao manara-dia an’i Kristy ireo zavatra heverinao ho sarobidy eo amin’ny fiainana fa ampiasao kosa amin’ny fanompoana an’i Kristy izany .Raha manao izany isika dia tena mpianatr’i Kristy tokoa .
Fanontaniana :
Inona daholo ireo apetrakao ho lohalaharana eo amin’ny fiainanao ka tonga sakana amin’ny fanarahana an’i Kristy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM