2 KORINTIANA 4.1-6

Ny mpitory ny Filazantsara

1-Mitory an’i Kristy

« Fa tsy ny tenanay no torinay , fa Kristy Jesoa Tompo ary izahay mpanomponareo noho ny amin’i Jesoa  » (and5) . teny nataon’i Paoly manoloana ireo izay nanohitra ny maha-Apostoly azy sy ny Filazantsara notoriany izany .Tamin’izany no nambaran’i Paoly Apostoly ny maha-Tompo sy endrik’Andriamanitra an’i Jesoa Kristy .Ny olona izay mampifangaro ny Filazantsara amin’ny fahendrena , fotom-pampianarana , hevitr’olombelona no mitady voninahitra ho an’ny tenany .Koa ny Filazantsara marina dia izay miantso ny olona rehetra handray famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompo fa tsy amin’ny alalan’ny olona. Koa raha mitory ny Filazantsara ianao , taomy ny olona hanaiky an’i Jesoa kristy ho Tompo mba handraisany ny famonjena fa aza mampianatra fahendren’olombelona .

2-Mitondra ny fahazavan’i Kristy

« Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina no hampahazava ny fonay... » (and6)

Ny faharian’Andriamanitra ny zava-boahary eto dia sarin’ny fahariana ara-moraly .Toy izany koa ny fahazavana ao anatin’ny olona nohazavain’ny Filazantsara dia hipariaka ao anatin’ny tontolo feno aizina .Tokony ho tsaroana fa ny maizina sy ny mazava dia maneho ny asan’Andriamanitra tamin’ny fahariana vaovao . Ary tsy izany ihany , fa Andriamanitra mihitsy no tonga fahazavana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy . Koa raha mitory Filazantsara ianao , ambarao fa Jesoa Kristy Mpahary ny olona ho vaovao sy manome fiainam-baovao ho an’izay mandray Azy . Koa ento eo amin’ny olona ny Filazantsaran’ny fahazavan’i Kristy mba hanazava ny fiainany .

Fanontaniana:

Inona no sakana tsy andraisanao ny fanavaozan’i Kristy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM