Sal 19.1-3 /Hira 779/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira537.1
Ezekiela 3.18-21
« …Satria nino anatra » izy (and.21)
Velon’ny finoana ny Mpino ary endrika iray ivelomana an’izany no ambara eto: « mino anatra ». Inona no dikan’izany?
1. Mino anatra = manoa ny anatra tsy hanota
Hoy ny teny eto: « Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota ianao, ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy, satria anarina hitana ny nino anatra »(and.21). Ny marina fahamarinana ataony eto. no
2. Mino anatra = manaiky hiala amin’ny ota
Hoy ny and.19: » Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin’ny faharatsiany sy amin’ny lalany ratsy, dia ho faty amin’ny helony ihany izy. « Ny ratsy fanahy kosa no anarina eto, asaina hiala amin’ny ratsy fanaony.
3. Mino anatra = Mankato ny Tompo
I Ezekiela mpaminany no irahina eto hiteny amin’ny « marina » sy hiteny ireo « ratsy fanahy ». Miankina amin’ny fankatoavany hiteny, na tsia, no hahavonjeny ny ainy, na tsia. Tsy miteny izy: « hadiniko amin’ny tananao ny rany », hoy ny Tompo (and.18). Miteny izy: « ho voavonjinao ny fanahinao. » (and.19), hoy ny Tompo! Koa samy mila « mino anatra » avokoa na ny irahina na ny anirahana!
Fanontaniana:
Mino anatra ve ianao sa manao bemarenina amin’ny anatra atao na anirahana anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires