(Sal 125,1-3 / Hira 12,1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 338)

    Hitan’i Jesoa ny finoan’ireo mpitondra ilay mararin’ny paralysisa (and 20). Sahirana nitady hevitra hihaona amin’i Jesoa izy efa-dahy fa tsy misy lalana haleha. Tany an-tafontrano no niditra izy ireo. I Jesoa, anefa, mahita sy mahafantatra ny toe-po sy fanahin’ny olona rehetra ary ny finoana sy ny tsy finoana. Fantatr’i Jesoa Tompo ny anatintsika tsy hita maso: ny mpitondra marary manam-pinoana sy ny Fariseo nisaina ratsy (and 21). Mazava ny tanjon’ny mpitondra marary: ny hihaona amin’i Jesoa izy ireo sy ny marariny. Tsy misy afaka misakana ny finoana an’i Jesoa Mpamonjy sady Mpamela heloka, na olona na olana.

      Manambara ny tenany i Jesoa Kristy: amin’ny alalan’ny Teniny sy ny asany. Fahefany feno ny mamela heloka sy manasitrana. Tsy misy afaka mibaiko Azy amin’izay fomba fiasany sy izay tiany hatao. Hoy Izy « mitsangana dia betao ny fandrianao ary modia any an-tranonao» (and 24). Anjaran’ny mpino ny manaraka izay lazainy aminy. Omen-danja ny Tenin’i Jesoa fa tsy ny fangirifirian’ny aretina, na ny fahasahiranana, na izay lazain’ny mpanenjika. Rehefa manaiky ny fidiran’i Jesoa Kristy amin’ny fiainantsika manontolo isika dia izay no ahitantsika ny famonjena feno sy tanteraka. Miova tanteraka ny tantara: sitrana sady nody finaritra any an-trano ny marary; tonga natahotra Azy ny vahoaka (and 26) ka nankalaza sy nanome voninahitra an’Andriamanitra. Mahavonjy ny finoana an’i Jesoa Kristy ho fanafahana sy ho famelan-keloka.

      Inona no tena andraikitry ny mpiandry marary amin’ity Soratra Masina ity?