Sal 138.1-3 / HF 45 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 545.1
Romana10.5-10
Voasoratra hoe:
« Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena. « (and.10)
Teny malaza ny amin’ny fanamarinana sy ny famonjena ity teny ity. Inona no ambarany amintsika?
1. Tsy maintsy mino amin’ny fonao ianao.
Eo amin’ny and.9 dia lazain’i Paoly hoe: « mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy (Jesoa) tamin’ny maty », dikany: tsy maintsy mino ianao fa tsy mpaminany tsotra fotsiny i JESOA fa tena Andriamanitra velona, mendrika hivavahana, tahaka ny fanekem-pinoan’i Tomasy hoe: « Tompoko sy Andriamanitro! » (Jao.20,28).
2. Tsy maintsy manaiky amin’ny vavanao ianao.
lo faneken’ny vava io no anton’ny fanambarana ny Fanekem-pinoana ataontsika rehefa mivavaka, sy anton’ireo fanekena samihafa ataontsika. Izany hoe: tsy finoana kobonina ao am-po fotsiny, fa tsy maintsy ambara hiseho. Ary tsy teny tenenina isehoana fotsiny, fa tsy maintsy miorina amin’ny finoana ao am-po miafina. Izany no ilaina raha tiantsika ny handray ny fanamarinan’ Andriamanitra antsika sy ny famonjena notanterahiny tao amin’i JESOA KRISTY!
Fanontaniana:
Efa tena nataonao ve ireo roa ireo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires