(Sal 147/ Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 95)
1 Korontiana 1. 18-25
Ny Teny ny amin’ny Hazofijaliana
1- Fahadalana amin’izay ho very
Tsy mitovy ny asetrin’ny olona ný hafatra momba ny hazofijaliana. Ho an’izay ho very (anisan’izany ny Grika manam-pahaizana sy ny Jiosy milaza ho mpivavaka), dia fahadalana tanteraka ny Hazofijaliana, satria noheverina ho maty voaozona izay nohomboana tamin’ny hazofijaliana (Deot 21.23; Gal 3.13). Nijaly tokoa izy ireny satria nalaim-baraka, noesoina, nofatorana, nokapohina tamin’ny karavasy hoditra (Isa 53.5). Mazána dia teny amoron-dalam-be ivelan’ny tanana no nanatanterahana izany. Fahadalana ho an’izay ho very tokoa izany, satria afa-baraka, meloka eo anatrehan’ny maro. Mandrakariva ny fanompoana an’Andriamanitra dia itondrana hazofijaliana. Andosiran’ny sasany tokoa izany satria tsy manaiky ny sainy, tsy te-ho voafehy noho ny amin’ny fijaliana nentin’i Kristy izy. Te hiliba amin’izao fiainana izao, fiainana tsy misy fitsipika. Ny fahaverezana no safidiny.
2- Herin’Andriamanitra ho an’ny olom-boaantso.
Isika olom-boaantso no handray ny famonjena avy amin’Andriamanitra, ka fiainana tanteraka sy feno fahamasinana avy amin’ny herin’Andriamanitra no azo amin’izany. Hamafisina eto izany (1 Kor 1. 1-2). Ny fanehoan’ Andriamanitra ny heriny dia mahatonga antsika olom-boaantso hanaiky sy hankato ny famonjeny. Hery ho antsika izany fa fahadalana ho an’izay ho very. Ny fiainam-pahamasinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina no sitrahan’ny olom-boaantso. Minoa ny teny amin’ny Hazofijaliana mba hananantsika hery tsy hay tohaina avy amin’Andriamanitra, ka hiadanantsika eo amin’ny fanompoana Azy.
Fanontaniana :
Fifaliana sa fijaliana ny manaraka an’i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires