(Sal 113.1-3 / HF 9 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 428)

Asan’ny Apostoly 16.6-10

Mitari-dàlana ny Fanahy Masina

1- Mampahafantatra ny lalan-kaleha

« Ary rehefa noraran’ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia » (and 6). Nanana fikasana handeha hitory Filazantsara tany amin’ny faritr’iAzia Minora i Paoly sy ny mpiara-miasa taminy saingy noraran’ny Fanahy Masina tsy hankany; ka izao niova ho nankany amin’ny toeran-kafa izao. Rehefa izany, dia nikasa hankany Bitynia indray izy ireo, saingy tsy navelan’ny Fanahin’i Jesoa ho any (and.7). Raha mamaky ny bokin’ny Asan’ny Apostoly isika, dia hahita fa ny Fanahy Masina hatrany no mialoha lalana nandritra ny fotoana rehetra nanatanterahan’ireo misionera ny asa fitoriana ny Filazantsara. Izany no manambara fa tena asan’ny Fanahy Masina ny asa fitoriana ny Filazantsara. Angataho hatrany ny fitarihan’ny Fanahy Masina!

2-Ekeo ny fitarihan’ny Fanahy Masina

Mety hisy trangan-javatra toy izany eo amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara: hafa ny toerana tiana haleha, na ny andraikitra tiana horaisina; tsy araka izay nokasaina anefa no itarihan’ny Fanahy Masina. Mahalala ny hevitra iheverana antsika ny Tompo, manana ny lalana tiany hitondrana sy hitarihana antsika Izy. Ny anjarantsika dia ny manaraka izay itarihan’ny Fanahy Masina, mamantatra ny sitrapon Andriamanitra, mifandray tsy tapaka Aminy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fankatoavana ny Teniny. Izay lazain’ny Teniny. Jesoa no filanatra ho antsika amin’ny asa Fitoriana ny Filazantsara. Jesoa dia nanana fifandraisana tsy tapaka tamin’ny Ray, sady nahafoy ny ainy noho ny fanaovana izay sitrapon’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Ahoana no hamantarana fa mitarika antsika tokoa ny Fanahy Masina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe