Sal 133/ Hira 534: 1/ Jakoba 4. 11 – 17/Vavaka/ Hira 530
Jakoba 4. 11-17
Zavatra telo loha no ampianarin’ny Soratra Masina antsika amin’ity anjara mofonaina ity:
- Aza mifanaratsy (and 11, 12)
«Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalana sy mitsara ny lalana…». Na tsy hitondrana fanampim-panazavana aza dia efa tena mibaribary izany teny izany. Ny mahavariana anefa dia izao, nosoratana ho an’ny Kristiana ity epistily ity fa tsy ho an’ny olona tsy mahalala an’i Kristy, midika izany fa hay moa na Kristiana aza dia mbola misy manan-toetra ratsy lavitra noho ny jentilisa ka revo manoso-potaka na manendrikendrika ny namany noho ny tombontsoa manokana sy anton-javatra samihafa! Mandiniha tena isika! Ahoana ilay didim-pitiavana ao amin’ny Jao 13.34?
- Aza mirehareha (and 13-16)
«Fa aleo manao izao: Raha sitrapon’ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany. ». Tsy fahendrena hoy ny Soratra Masina eto ny mieritreritra fa tompon’ny fotoana ka be famaritra araka ny saina fotsiny izao. Tsy misy mahalala ny ho avy isika, koa aoka hahay hanetry tena (Oha 27. 1); apetraho amin’ny Tompo ny ho avy fa aza mandidy alohan’Andriamanitra ohatran’ny mpanotrika atody!
- Manaova soa (and 17)
Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany. ». Raha takarina ny hevitr’ity teny ity dia izao: tsy izay ratsy tsy tokony natao kanefa natao ihany no heloka co anatrehan’ny Tompo, fa ny tsara tokony hatao, hatao kanefa iniana tsy hatao. Heloka ihany koa izany. Hevero izany, fa aza mihirim-belona amin’ny mpiray monina sy ny mila vonjy ka manamafy fo fotsiny izao fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao hoy i Jesoa (Mat 22. 39)
Fanontaniana:
Hatraiza no fiainanao ireo voalaza androany ireo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires