SALAMO 5.1-12

Mihaino vavaka Andriamanitra

1-Koa miresaha Aminy (and3)

Raha miantso an’Andriamanitra isika  dia ireto  no tsarovy  araka izao  tonom-bavaka  nataon’i Davida izao :

-Ataovy  fiainana  fa tsy fahazarana  ny mivavaka , tahaka an’i Davida , mivavaka isa-maraina

-Havaozy   isanandro ny  fiombonanao amin’Andriamanitra ka antsoy Izy isaky ny hanomboka  zavatra ianao .Izany koa no hevitry ny hoe : maraina eto .

-Aoka hino ianao fa Andriamanitra dia hitondra ny fiainanao marina tokoa  mandritra ny andro .Davida eto  dia manambara fa hanndrandra , izany hoe ; efa miandrandra valimbavaka sahady .Fa misy olona mivavaka fa toa misalasala ihany . Ny hahalavorary ny fiainanao no tanjon’ny Tompo : « Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao  dia hiadana. Izany no hahatongavan’ny soa aminao “ (Joba 22.23)

2-Halaviro  ny ratsy fanao   (and4)

Mankahala ny ratsy ny Andriamanintsika  ka mampahatsiahy  antsika fa tsy mankasitraka  ny ratsy fanaontsika  Izy. Koa raha  hivavaka Aminy  isika dia ampahatsiahin’I Davida  eto fa sasa-poana ny mpanao  ratsy raha hivavaka amin’ny Tompo. Koa raha hivavaka  isika  dia ny fiaikenkeloka  no tokony hialoha  izay ambarantsika Aminy .Araka ny voasoratra hoe:”Raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina  Izy  ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika  ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jao  1.9). Mora mivily amin’ny faharatsiana mantsy isika  ka manalavitra an’Andriamanitra . Jesoa ihany anefa  no afaka  manamarina antsika  eo anatrehan’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Efa tsara omana ve  ny fifandraisanao Aminy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM