DANIELA 7.13-28
Ny Tompo Andriamanitra no mpanjaka mandrakizay
Nanehoan’ny Tompo fahitana i Daniela . Nahatahotra azy loatra ny zavatra hitany ka nahatonga azy hanontany izay hevitr’izany :
1-Voafetra ny fanjakana sy ny fahefan’olombelona
Nanana ny tanjany sy ny fahefany ny firenen-kafa izay nanodidina ny Israely toy ny Babyloniana .Tsy maintsy hihalefy anefa izany , ary hisy firenena hafa indray hanankery mihoatra azy , dia ny Mediana sy ny Persiana . Handimby azy kosa ny fanjakana Grika , ary hihalefy indray ny fanjakana Grika ka handimby azy ny Romana. Izany no sary asehon’ny fahitana ireo biby efatra hitan’i Daniela ka nahatahotra azy (Dan 7.1-8). « Ary hiteny hanohitra ny Avo indrindra izy sy hampahory ny olo-masin’ny avo indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna … » (and25a).Na dia eo ambany fahefan’olombelona sy miatrika fanenjehana aza ny fiangonana ankehitriny ,noho ny amin’ny Tompo dia tsy tokony ary hahatsiaro fa fahefana voafetra ihany izany . An’ny Tompo ny fanjakana .
2-Andriamanitra no Tompon’ny fandresena
Indraindray dia toa avelan’Andriamanitra hanjaka ny tsy fahamarinana ,ny fampahoriana,ny fampahantrana mbamin’ny fampijaliana kristiana.Tsy hamela ny olony hitondra izay tsy zakany Andriamanitra , fa hatreo amin’ny fetra farany izay zakan’ny olony no hidirany an-tsehatra .Manomboka eo dia tsy maintsy hidaraboka eo anatrehan’ny fahefan’Andriamanitra Ily mpitsara marina ny fahefan’ireo « biby » mahatsiravina ireo. « Fa hipetraka ny mpitsara , ary hesorina ny fanapahany ka horavana sy hosimbana hatramin’ny farany izy » (and27). Ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanavotana vitany teo amin’ny hazo fijaliana no ananantsika fandresena amin’ny faharatsiana rehetra .
Fanontaniana:
Inona no heverinao fa antony tsy hahazakan’ny olona fahoriana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM