1 KORINTIANA 7.1-16
Ny fanambadiana
1-Fiombonana aina
« Aoka ny lahy hanao izay mety amin’ny vavy,ary mba toy izan koa ny vavy amin’ny lahy » (and3) . Ity andininy ity dia miresaka indrindra amin’ny fiombonana aina manokana eoamin’ny mpivady,dia ny firaisana ara-nofo izany .Ambaran’i Paoly Apostoly fa manana zo hitovy amin’ny firaisana ara-nofo ny mpivady ary toy ny trosa tsy maintsy aloa mihitsy izany raha ny teny fototra no jerena .Araka izan ,ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia adidy tsy maintsy atao,ho mariky ny fanehoam-pitiavana amin’ny vady. Noho izany , tsy ifanerena akory izany fa atao amin’ny fitiavana.Voatokana ho an’ny mpivady ihany izany ary masina satriamanana hevi-pinoana