APOKALYPSY 21.1-5
Tsy miova amin’ny fandaharany Andriamanitra
Teny fampanantenana efa nataon’Andriamanitra tamin’ny andron’ny Zanak’Israely ny fahariana lanitra vaovao sy tany vaovao.Manamafy izany ny teny voalahatra eto fa mitana ny teniny tokoa Izy ka manatanteraka izany .
1- Raisiny ho amin’ny fanjakany ny olom-boavonjy

Mazava tsara ny fahitana hitan’i Jaona .Nahita tamin’izany ny nampidinana avy tany an-danitra , tanàna masina dia Jerosalema vaovao , maneho ilay tanànan’ny vahoakan’Andriamanitra , toerana nisy ny Tempoly fahizay , toerana nonenan’Andriamanitra ,Ilay Jerosalema vaovao voaomana hihaona amin’ny vadiny izay maneho ny fiangonana , ny olom-boavonjy horaisin’i Jesoa kristy ho amin’ny fanjakany , fonenana tena azo antoka .Manome toky amin’ny alalan’ny teniny Andriamanitra fa raisiny ho amin’ny fanjakany ny mpino .
2-Miaina amin’ny fiainana miavaka ny olom-boavonjy
Miova tanteraka ny toe-javatra iainan’ny olona rehefa manaiky onenan’Andriamanitra ny fiainany , rehefa manaiky hiditra amin’ny fandaharan’Andriamanitra .Tontolo vaovao anjakan’ny olom-boavonjy , iainan’ny olon’Andriamanitra .Foana ny ranomaso sy ny fahoriana , miala tanteraka ireo toe-javatra manimba ny fiadanana .Tena azo antoka araka izany fiainana miavaka omanin’Andriamanitra ho an’ny olona izany , satria mahatoky sy marina ny teniny .
Fanontaniana :
Nahoana no mamatotra ny olona ny alahelo sy ny famoizam-po rehefa tojo fahoriana na fahafaresana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM