Sal 99, 1-5 / Hira 6:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 3: 3
Kolosiana 2, 16-23
Ny mpanompon’i Kristy
1. Manohitra ny fampianaran-diso (and 18)
Teo amin’ireo Kolosiana dia maro ireo fampianaran-diso izay nangeja ny olona tsy nanana ny fahafahana. Tao ny fitaomana ny olona ho amin’ny fampijalin-tena, izay aseho amin’ny fandrarana tsy hihinana karazan-tsakafo, tao koa ny fisian’ireo fitsipika samihafa napetrak’ireo mpampianatra sandoka, toy ny momba ny Sabata… Nalaza tamin’izany koa ny fivavahana tamin’ny anjely, izay adikan’izy ireo ho fanetren-tena amin’ny maha-olombelona mpanota. Toherin’ny Apostoly Paoly ireny ka anariny mafy an’ireto Kolosiana ireto, araka ny and 8: « Aza mety hofitahina… » Amin’izao vanim-potoana iainantsika izao koa dia miely ireo karazana fampianarana izay mifanohitra tanteraka amin’ny foto-pinoana kristiana. Mananatra antsika ny Tenin’Andriamanitra mba tsy ho voafitaka, hijoro ho mpanompon’i Kristy.
2- Manorina ny finoany ao amin’i Kristy (and 19)
Tokony hanorina ny finoany ao amin’i Kristy ny mpino. Ireo mpampianatra sandoka izay manely ny tsy fahamarinana ireo mantsy dia ambaran’i Paoly fa « tsy mihazona ny Loha ». Ny « Loha » dia entina ilazana fitarihana sy fitondrana. Ny olombelona, eny, ny zavatra rehetra mihitsy aza, dia tsy afaka manao na inona na inona raha tsy misy lohany. Ny mpanompon’Andriamanitra dia mametraka an’i Kristy ho Lohany, ary manorina ny finoany ao Aminy. Satria « Izy no itomboan’ny tena rehetra ». Raha tsy miorina tsara ao amin’i Kristy isika dia tsy afaka hanohitra ny fampianaran-diso, ary mety ho voataonany mihitsy aza. Tsarovy áry fa ny mpanompon’i Kristy dia manorina ny finoany ao Aminy.
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fiainanao ny maha-mpanompon Andriamanitra anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires