SALAMO 30.1-12

Misaora an’Andriamanitra noho ny famonjeny

1-Manafaka amin’ny herin’ny fahafatesana Izy

Nanalokaloka ny fahafatesana,toa efa nilaozana ny tontolon’ny fiainana satria efa latsaka anaty lavaka,nizotra ho any amin’ny fiainan-tsy hita ny fiainany.Navelan’Andriamanitra hiseho izany ka nihevitra ny fahavalony ho efa nafoin’Andriamanitra ity mpanompony.Rehefa niantso sy nitaraina tamin’Andriamanitra anefa izy dia niditra an-tsehatra Andriamanitra ka namonjy ny ainy sy nanafaka azy .Velona tra-pamonjena izy,mitohy ny fiainany ka indro misaotra an’Andriamanitra .Mitohy ny fiainany miaraka amin’Andriamanitra .

2-Fanantenana ho an’ny mino Izy

Miantso ny olona mba hankalaza Azy mandrakariva ity mpanompony ity .Ny famonjena azony tamin’Andriamanitra dia mahatery azy hilaza amin’ny olona rehetra fa tsy maintsy mandalo fotoan-tsarotra ny fiainana an-tany ,mifamadibadika ny toe-javatra rehetra (and5),kanefa rehefa miaraka amin’Andriamanitra ,miankina Aminy dia tsy ho resy fa ho mpandresy hatrany .Mampitoetra ny famindrampony amin’ny olona mino sy manantena Azy mandrakariva Andriamanitra.Ny faneken’ny olona hitoetra eo amin’Andriamanitra mandrakariva no ahafahany midera sy mankalaza an’Andriamanitra .

Fanontaniana:

Fomba ahoana no entinao midera an’Andriamanitra noho ny asany nataony teo amin’ny fiainanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM