(Sal47,1-9 / Hira70 Fifoh / Vavaka/ Mofonaina / Vavaka / Hira:643)
Mpitsara 15. 14-20
Mpino miankina amin’Andriamanitra velona
1- Manana ny Fanahiny Masina
« Ary nilatsaka tamin’i Samsona ny Fanahin’i Jehovah » (and.14). Na teo aza ny fatotra tamin’i Samsona sy ny fanakorana nataon’ny Filistina azy dia tao aminy ny fahavononana tanteraka. Nanatrika azy sady nomba azy ny Tompo ka nandatsaka tamin’ny Samsona ny Tena Fanahiny. zava-dehibe eo amin’ny mpanompon Andriamanitra izay miatrika ady sarotra sy miatrika fahavalo toy izao ny filatsahan’ny Fanahin’ny Tompo. Mitondra hery, mitondra fiovana, mitondra fanafahana izany. Voalaza eto fa afaka tamin’ny tanan’i Samsona ny fatorana. Tsy nomen’Andriamitra Fanahy osa tokoa ny mpanompony, fa Fanahy Mahery. Ao amin’i Jesoa io Fanahy Mahery io; ao amin’ny mpanompony izay miankina Aminy.
2- Mahita fandresena miavaka
Afaka niatrika olona an’arivony Samsona ary nahita fandresena. Fitaovana kely iray no teny am-pelatanany dia valanoranom-biriky (taolana eo amin’ny fitsəkoana sakafo eo amin’ny biriky izany). Fandresena lehibe no ahafahana manamontsana olona maro toy izany. Tsy ny hamaron’ny olana araka izany, na ny fahalebiazany no tsy ahafahana miatrika na mandresy azy. Rehefa eo ny fanatrehan’Andriamanitra velona amin’ny alalan’ny Fanahiny dia mahazo fandresena miavaka ny mpino.
3- Anehoany ny voninahiny
Nangetaheta i Samsona ka nitaraina tamin’ny Tompo. Tsy navelan’ny Tompo ho resy izy fa nanehoany ny voninahiny.
Fanontananiana
Inona ireo vokatry ny fomban’ny Tотро пу трапоmpony?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires