Sal 9.1-2 / HF 45 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 632.1
Lioka 9.1-6
Ivelomy ny finoana marina
Izany no hafatra ho antsika eto.
Dikany:
1. Ekeo ny antson’i JESOA (and.1-2)
Ny mino dia izay:
Manaiky ny antson’i JESOA hankeo Aminy aloha. Io ny dingana voalohany: « mankeo amin’i JESOA ».
Manaiky ny hery sy ny fahefany, fa tsy matoky tena.
Manaiky ny iraka anirahany ho famonjena ny hafa.
2. Matokia tanteraka an’i JESOA (and.3-4)
Tsy navelan’i JESOA hitondra vatsy ireto mpianany ireto fa hiankina Aminy feno, hatoky Azy hiahy ny fiainany manontolo co am-panefana ny ıraka ampanaoviny. Fianteherana feno amin’i JESOA manko no atao hoe finoana!
3. Ankatoavy fotsiny i JESOA! (and.5-6)
Nampiomana i JESOA fa tsy hoe satria Izy no maniraka, sady efa nanome hery sy fahefana, dia handray avokoa ny olona, tsia; mety hisy tokoa ny tsy handray. Ary « ahintsano ny vovoka ho afaka amin’ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy », hoy i JESOA. Dia nandeha izy ireo (and.6). Izany no finoana: mandeha na mety tsy hahomby aza! Ny fankatoavana no zava-dehibe fa tsy ny vokatra! Ny vokatra, miankina amin’ny safidin’ny anirahany izany!
Fanontaniana:
Araka ireo : mivelona ny finoana marina ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires