(Sal 95.1-5 / Hira 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF16)

«…. dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo » (And. 1)

Ny fiombonan’ny mpino dia tokony hiseho amin’ny atao co amin’ny fiarahamonina araka ny modely nomen’i Kristy. Andriamanitra no niantso ny olona. Satria namaly izany antso izany ny tena Kristiana. Noho izany dia tokony ho hita eo amin’ny fomba iarahany míaina ny fiombonana. Araka izany, noho ny amin’ny fiantsoan’ Andriamanitra dia miombona ny mpino. Tsy miombona mba ho voaatso akory, fa miombona satria samy olom-boaantso ao amin’i Kristy. Ny fahatsapan’ny olona tsirairay ao anatin’ny Fiangonana fa samy olom-boantso no manery azy tsy maintsy hiombona.

« amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po mifandefitra… » (And. 2)

Ireto toe-panahy ireto no voalaza fa tokony hananan’ny olom-baantso: fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, mifandefitra. Ny fahalemem-panahy eto dia tahaka ny biby fiompy nofolahana hanompo ny olombelona. Toy izany koa, ny Kristiana dia nomanina hifanompo fa tsy hifaninana. Ka ny fiombonana no omena lanja amin’izany fa tsy ny tena manokana. Amin’ny faharetana no ananana izany fahalemem-panahy izany; dia tahaka an’Andriamanitra Izay maharitra amintsika ihany. Ary tokony ho tsaroana mandrakariva fa ny fahalemem-panahy sy ny faharetana dia samy vokatry ny Fanahy (Gal.5. 22. 23).

Inona avy ireo sakana amin’ny fiombonan’ny mpino?