Talata, faha 12 Aogositra 2025

(Sal 145 / Hira 310 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF24)

« Ampaherezo ny tanana miraviravy » (and 3a). Ny hoe miraviravy tànana dia ilazana ireo izay manana hery voafetra ihany. Mandalo sedra mafy, tsy mahita izay horaisina sy horangotina. Raha niatrika ady ny Zanak’Israely dia hita fa niankina tamin’ny fahatanjahan’ny tànan’i Mosesy sy ny fiarovan’ny Tompo no nitondra fandresena ho an’ny vahoaka. Nilaina araka izany ny « nanohana ny tanan’i Mosesy » (Eks 17,12). Ny fampaherezana ny tànana àry dia manana endrika tolo-tanana, fanampiana, fitondrana am-bavaka. Manana adidy hanolo-tanana ny olona mila vonjy toy izany isika, arakaraka ny olana misy. Finoana arahana asa no ilaina.

« Ary hatanjaho ny lohalika malemy » (and 3b). Ny lohalika no isan’ny ahafahantsika mijoro tsara, ahafahana mandeha tsara, mihazakazaka. Ny lohalika misy olana ihany koa dia sahirana raha miakatra fiakarana, sahirana raha haforitra. Ny fampiasana lohalika no fomba malaky anehoana fanetren-tena amin’ny Tompo. Ny olona mampiasa lohalika àry dia olom-bavaka, olon’ny fanetren-tena. Ampaherezo hatrany ny hafa mba hampiasa lohalika araka ny tokony ho izy, hanetry tena, hiroso amin’ny hazakazaka masina.

Ny fo no ahafahana mitia na mankahala. Reraka am-po ny olona izay voahilika, misedra olana, mahatsiaro tsy tiana. Ambarao hatrany fa nahafoy ny ainy ho azy ireo Jesoa.

Iza avy no manana adidy hampitraka ireo mitanondrika?

0 Commentaires

Ajouter un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fjkm Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro