(Sal 101. 1-3 / Hira21.1, 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 18)

«Andriamanitra …dia be fahari-po ka nandefitra tamin’izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana, » (And. 22)

Andriamanitra dia Andriamanitry ny fahamarinana. Samy tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny ataony avokoa ny olona tsirairay. Ny olombelona rehetra dia mendrika ho faty avokoa, kanefa Andriamanitra miantra azy. Mpamindra fo Andriamanitra. Miala nenina Izy aloha, izay vao tezitra. Ka ny famindrampo no mialoha ny fahatezerany. Andriamanitra Mpanavotra Izy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Ary indraindray aza día ampiasainy ny ratsy mba hahatanteraka ny fanavotany ny olona nantsoiny. Ary izany no nanomezany an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy sy Mpanavotra izay mino.

«…mba hampahafantarina koa ny haren’ny voninahiny amin’izay fanaky ny famindram-po … » (And. 23)

Ambaran’i Paoly Apostoly fa omanin’Andriamanitra mialoha ho amin’ny voninahiny ny olona izay nofidiany. Ka ny hetsika rehetra ataon’Andriamanitra dia ho fitaizana ny olona hiroso hatrany ho amin’izany voninahitr’ Andriamanitra izany. Fikasana manokana ao amin’ Andriamanitra izany. Ka ny voninahitra eto, dia mifanohitra amin’ny fahaverezana. Manomana mialoha ny fiainana sy fahasambarana mandrakizay ao amin’ny fiombonana Aminy, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Andriamanitra. Ka ny famindrampo dia fanomanana ny olom-boaantso handova fiainana mandrakizay.

Ahoana ny fiomananao handova ny fiainana mandrakizay?