Matio 18. 1-6

Ny Iehibe amin’ny fanjakan’ Andriamanitra

1. Ny manetry tena

Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity (And 4)

Fanontaniana miendrika fitiavan-tena sy Fiavonavonana no niantefa tamin’i Jesoa . Mazava ny valin-teny tamin’izany fa ny fanetren-tena. Manetry tena ny zaza mahatsapa ny fahalemeny, ny fiankinan-doha, fahatokiana ny reniny ka miandry azy, mihaino azy. manontany azy ary manantena azy. Toy izany koa iska, raha te-ho Iehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra, dia mila miala amin’ny fitiavan-tena sy ny havonavona fa manaiky ho nalemy kosa eo anatrehan’ny Tompo ka miankidoha tanteraka Aminy, matoky Azy ary manantena Azy amin’ny zavatra rehetra. Koa aza mihevitra te mahavita tena eo anatrehan’ny Tompo fa miankina Aminy.

2..Ny mandray ny madinika

« Ary na zovy na zovy no handray zazakely anankiray aza tahaka itony noho ny anarako, dia mandray Ahy. » (And. 5)

Tsy ho tonga manetry tena sy madinika eo anatrehan’Andriamanitra mihitsy ny olona raha tsy onena sy tia ireo madinika sy manetry tena. Jesoa Kristy dia tia ireo madinika sy manetry tena. Ka izay rehetra te-ho lehibe eo amin’ny fanjakan’ ny lanitra dia tsy maintsy tia ireeo madinika. Ary ireo izay tia sy manampy ireo madinika kosa tonga ho lehibe ao amin’ny fanjakan’ny lanitra satria nandray an’i Jesoa Kristy. Koa raiso amin’ny fitiavana ireo madinika. tsaboy raha sendra marary, satria ny fanaovana izany dia mitovy amin’ny mandray an’i Jesoa Kristy,

Fanontaniana

Inona no antony tsy ahaizanao manetry tena?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

38