2 TESALONIANA 1.3-12

Teny mampahery ny fiangonana tany Tesalonika no hitantsika eto . Ao anatin’izany no ahitantsika izany hoe :

Andriamanitra mandray andraikitra

1-Mitoera ho mahatoky (and 4-5)

Ny mpanompon’Andriamanitra dia sedrain-javatra maro ary mariky ny fanarahana ny Tompo izany . Izy Jesoa mantsy no efa niteny fa ho halan’ny olona isika noho ny amin’i Jesoa izay inoantsika. Derain’i Paoly ireto olona anoratany ireto noho ny faharetany ny amin’ny fahoriana ,ny faharetany amin’ny finoana . Hazavain’i Paoly eto fa tsy ho very maina izany fiaretana izany .Fa ankehitriny dia maro ny kristiana raha vao misy fanakianana kely dia mihemotra . « Aza matahotra izay efa hiaretanao .Indro ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina , mba ho voazaha toetra ianareo , ary hanam-pahoriana hafoloana .Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao , dia omeko anao ny satroboninahitra fiainana » (Apo 2.10)

2-Mamaly izay fahavalontsika Izy (and6)

Zavatra marina amin’Andriamanitra , hoy i Paoly ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo .Misaotra ry Tompo noho izany fanambarana lehibe feno fanomezan-toky omenao anao izany . Fa Anao Andriamanitra tokoa ny famaliana fa tsy anay . Izany no tombony azontsika izay mpanara-dia an’i Jesoa .Matetika isika no tratry ny fakam-panahy hamaly bontana izay manisy ratsy antsika . Eto anefa dia ambaran’ny Tompo fa Azy ny famaliana (Heb 10.3).

Fanontaniana :

Efa nihatra taminao ve izany hoe : « fanenjehana » ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM