2 MPANJAKA 19.1-7

An’ny  Tompo ny fandresena

1-Mampandresy izay mialoka Aminy Izy

Tamin’ity fotoana ity dia Hezekia no mpanjakan’ny Joda .Ny Asyriana ,izay firenena matanjaka indrindra tamin’izany fotoana izany no fahavalon’ny firenena ka nampihorohoro fatratra sady nirehareha noho ny fananany hery ara-tafika .Fantatr’i Hezekia tsara ny halehiben’ny hery mifanandrina aminy ,saingy tsy nilavo lefona teo anatrehan’ny iraky ny mpanjakan’ny Asyria izy ,fa naleony nametraka ny fanantenany sy ny adiny tamin’Andriamanitra (and1-2).Fantany fa lehibe sy mahery lavitra ny Tompo  Andriamanitra .Nanetry tena sy nivavaka tamin’ny Tompo ny mpanjaka Hezekia sy ireo akaiky azy.Nantsoiny hiaraka aminy koa ny mpaminany Isaia (and5).Anjarantsika fiangonana ny mivavaka mba hanomezan’Andriamanitra mpitondra sy manam-pahefana tahaka an’i Hezekia.

2-Izy no mandroaka ny fahavalo  .

Nampitondra teny fampaherezana ho an’iHezekia ny mpaminany Isaia  .Nambarany tamin’izany fa ny Tompo mihitsy no hiady sy handingana ny fahavalo . “Fa indro Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny , ary hahare siosio izy fa hiverina ho any amin’ny taniny ,dia hataoko lavo-tsabatra any amin’ny taniny izy”  (and6-7).Rehefa mibebaka sy manakim-po tanteraka amin’Andriamanitra ny olona dia misava avokoa ny tahotra sy ny ahiahy rehetra ;foana ny loza mitatao izay saika nianjady. Fomba mahagaga tsy takatry  ny saina no nentin’Andriamanitra nanafaka an’I Hezekia sy ny fanjakany teo am-pelatànan’ny Asyriana .Nandresy tsy niady izy ! Marina ny tenin’ny Tompo hoe: “Jehovah hiady ho anareo fa ianareo kosa hangina  “ (Eks 14.14).

Fanontaniana :

Fotoana manao ahoana no tena ilana vavaka sy fifadian-kanina?

Sampana Sekoly Alahady  FOIBE FJKM