Asan’ny Apostoly 13,1-12
1- Mifidy sy maniraka mpanompo ny Tompo
Ambaran’ny Soratra Masina eto fa nanatanteraka fanompoam-pivavahana narahina fifadian-kanina ny Fiangonana. Ny tiana ambara amin’izany dia tsy hoe izany no filamatra ka tokony hanao tahaka izany avokoa ny Fiangonana hafa rehetra. Ny zava-misy mantsy dia hita fa sodokan’ny endrika ivelany sy ny fombafomban-javatra ihany ny maro mandritra ny vavaka atao. Tsarovy tsara anefa ilay hoe « « fanompoam-pivavahana » , izany hoe : manompo an’Andriamanitra mihitsy no atao amin’izany vavaka tanterahina izany. Izay tiana ambara eto àry dia izao : nanatanteraka vavaka tamin’ny fo feno tahotra sy fanajana an’Andriamanitra ny Fiangonana, vavaka tsy misy fihatsarambelatsihy, lavitry ny fiheboheboan’ny olona sy ny fanarahana fombafomba ivelany fotsiny ihany. Ny tahaka izany no fanompoam-pivavahana takiana sy valian’Andriamanitra.
2- Manao asa misiona ny iraka
Samy manana ny iraka tandrify azy avokoa ny mpanompon’Andriamanitra rehetra ary Izy Tompo mihitsy no manondro izay tandrify sy sahaza ny tsirairay. Mazava tsara mantsy eto ny teny hoe « hanao ny asa izay efa niantsoako azy« . Ny Tompo Andriamanitra izany dia efa nanomana ny tsirairay sy ny fikambanana koa ho amin’izany asa fanompoana tandrify izany.
3- Milaza ny fahazavana amin’izay mila izany ny iraka
Mahavariana ihany ny filazana eto hoe : Sergio Paolo dia olona manam-pahefana sady hendry nefa dia nanaiky an’i Elyma mpaminany sandoka. Tsy avelan’Andriamanitra ho voafatotra mandrakariva anefa ireny fa indro Izy maniraka olona hitory ny Filazantsara marina.
Fanontaniana
Valian’ny Tompo ve ny fanompoam-pivavahana rehetra? Iza ary hanao inona ny iraky ny Tompo amin’izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM