I Timoty 5.1-8

1- Ny tokony ho toe-panahin’ny mpitondra fivavahana:

Mananatra amin’ny fanajana sy feno fitiavana (and 1-2): Rehefa tsy mendrika ny toetran’ny olona tandremana dia tsy mijery fotsiny fa mananatra, kanefa tsindrian’i Paoly tsara fa atao amin’ny fanajana sy ny fitiavana. Ny anti-panahy dia raisina toy ny ray aman-dreny sy rahalahy sy anabavy no fananatra sy fandraisana azy. Ny teny mandratra, na dia diso aza izy, dia toa endrika famonoana ankolaka.

2- Ny tokony ho toetran’ny mpitondra tena efa loa-jafy

Dia tokony ho fitaratra ho an’ny zanany sy ny vinantony ary ny zafiny amin’ny fitiavam-bavaka ka manao izay ahatonga an’ireo ho tia an’Andriamanitra (and3-8). Tsy andraikitra fotsiny izany fa tena toetra anaty mihintsy. Ny tsy fikolokoloana ara-panahy ny ankohonana dia faharatsiana mihoatra ny ataon’ny tsy mino mihintsy aza. Tsy ny ara-panahy ihany anefa fa ny lafim-piainana manontolo koa.

Fanontaniana

Raha tsara toetra isika dia ho mamy hoditra ao amin’ny ankohonantsika. Fa raha ratsy kosa isika dia tsy ho to-teny mihintsy. Aiza amin’ireo ary no misy antsika?

Sampana Sekoly Alahady Foibe