Sal 33. 18-22 / Hira 16.1, 3/ Mofonaina / Hira 20 1,3

Miantso ny famindrampon’ Andriamanitra ny mpanao Salamo satria fantany fa mifamatotra amin’ izany ny famonjena araka ny Tenin’ny Tompo. Mamonjy ny Tenin’Andriamanitra ka:

Ny Tenin’ Andriamanitra no itokiana manoloana ireo fahavalo. Tsy mamerina ireo teny ratsy izay ambarany na manaraka ny teny feno fitaka sy lainga mety ho lazaina ihany koa. Tsy mora koa anefa ny mandaha-teny manoloana ny fahavalo. Ny Tenin’ Andriamanitra, teny tsara sady mamy, teny marina, feno fahasoavana, izany no atolotra ireo mitsangana ho fahavalo. Jesoa Kristy dia nampianatra fa tokony ho tia na dia ny fahavalo aza. Tsy fisainan’ny kritiana rahateo ny mamaly ratsy ny ratsy. Hoy i Paoly Aza mety ho resin’ny ratsy ianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy (Rom 12, 21)

Maneho fahavonona hitandrina ny lalån’ Andriamanitra ny mpanoratra (And.44). Antenainy fa hitondra fanahafahana sy antoka ho azy izany ka hananana fahasahiana, tsy amin-kenatra, hijoroany vavolombelona eo anatrehan’ny manam-pahefana. Ny asa rehetra tanterahiny dia hifanaraka mandrakariva amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Ny fitiavany ny Tenin’Andriamanitra no manosika azy hanao izany rehetra izany ka hiteraka fifaliana ary ho tonga firavoravoana ho azy. Ny Tenin’Andriamanitra no loharano tsara indrindra hanorenana ny fifaliana satria maharitra mandrakizay, Ny lanitra sy ny tany ho levona fa ny teniko tsy mba ho levona (Mat 24.33)

Nahoana no be fanahiana ny olona ankehitriny ka tsy manam-pifaliana intsony, eny fa na dia ny kristiana aza?

Sampana Sekoly Alahady Foibe