I TESALONIANA 2:1-8.
Ny mofonaina anio dia mampianatra antsika fa ny fitoriana ny Filazantsara dia :
1- Hiaretana ny mafy (and.1-4)
Mitantara i Paoly eto fa «rehefa nampahorina sy nisetrasetraina tany Filipy» , ary tsy noho ny antony hafa fa ny fitoriana ny Filazantsara no nahatonga azy niharan’izany rehetra izany, ka nila hanaraka hatramin’ny ain-dehibe aza. Tsy zavatra mora tahaka ny hiheveran’ny olona sasany azy akory ny mitory ny Filazantsara. Iaretana zavatra maro toy ny fanenjehana, ny tsy fisiana, ny harerahana sns…Ary tsy vaovao izany fa na i Jesoa aza dia niaritra toy izany koa. Tsy azo itsoahana anefa na ialana ny mitory fa tena andraikitry ny mino mihitsy. Mahereza isika !
2- Tsy hitadiavana tombotsoa manokana (and 5-6)
Tohizan’ny apôstôly hoe «tsy nitady voninahitra tamin’olona» izy fa raha mitory ny Filazantsara tamin’ny Tesaloniana, na dia nanana fahefana « hamaky tratra » araka ny ilazany aza izy dia tsy izany no laharam-pahamehana taminy. Tsy nahamaika azy velively izany. Ny mampalahelo anefa ankehitriny dia ampiasain’ny sasany hanangonan-karena ho an’ny tenany ny Filazantsara. Tandremo tsy hanao toy izany ary mitandrema amin’ny olona manao toy izany.
3- Fanehoam-pitiavana
Hamafisin’i Paoly mazava tsara mihitsy eto fa noho ny « fitiavana hanome » no mahatonga azy miaritra sy mampandefitra ny aminy aza mba hitoriana sy handraisan’ny olona ny Filazantsara. Isika koa, andeha hitia ny hafa ka hitory an’i Jesoa amin’izy ireny, hananany fiainana be dia be. Aza avela hisy antony afa-tsy ny fitiavana manery anao hitory.
Fanontaniana
Ahoana no efa niainanao ireo voalaza ireo tamin’ny fitoriana ny Filazantsara?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM