Jaona 3. 31-36
Ny olona nandray ny Fanahy Masina
1- Milaza ny Tenin’Andriamanitra

Samy hafa ny olona manana ny Fanahy Masina sy ny tsy manana. Ny tontolo ety an-tany no mamatotra izay olona tsy manana ny Fanahy Masina, noho izany dia ny momba ny ety an-tany no hainy lazaina sy ambara. Miavaka kosa anefa ny olona manana ny Fanahy Masina, manana fifandraisana amin’ Andriamanitra ka ny Tenin’Andriamanitra, ny tontolon’ ny fiainana araka an’ Andriamanitra no lazainy sy ambarany. Isika Fiangonana dia nomena ny Fanahy Masina, fanomezana manokana nomena antsika izany mba hahatonga antsika hilaza ny amin Andriamanitra sy ny famonjena notanterahiny tamin’ ny alalan’i Jesoa Kristy. Mazotoa milaza ny Filazantsara.
2- Miaina miaraka amin’Andriamanitra

Rehefa nambara ny Tenin’Andriamanitra ka izay mino an’i Jesoa Kristy sy mandray ny Famonjena notanterahiny, nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina dia manana fiainana mandrakizay. Ny fiainana mandrakizay dia fiainana tsy misy fetra, tsy misy fiafarany, fiainana be dia be efa nampanantenain’i Jesoa Kristy ny mpanara-dia Azy. Tena tia antsika Andriamanitra, fiainana miavaka no nomeny ho antsika. Notanterahiny tamin’ny nanomezany ny Fanahy Masina izany. Meteza ho tarihin’ny Fanahy Masina mandrakariva mba ahafahanao mitoetra amin’izany fiainana ao amin’Andriamanitra sy fiainana miaraka amin Andriamanitra izany.
Fanontaniana :
Ifampiresaho ireo tombotsoa nomen’Andriamanitra ny mpino handray ny Fanahy Masina.
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM